airtel

Fahasalamana

16-oct-2026

Dr Marius

Ramaroson

Sample post image

Ny fahavoazan’ny aty na

16-oct-2026

vavony no tena mahatonga «colique»»
Misy endrika aretina toy ny areti-kibo mpiseho amin’ny vanin’andro toy izao, izay fiantso mahazatra hoe «colique», hoy ny Dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson. Mety avy any amin’ny aty io, hoy izy, araka ny fiantso azy hoe «colique hépatique». Misy ny avy any amin’ny tsinay na «colique intestinale». Misy ny mahazo ny vavony, izany hoe, be dia be ny karazany. Matetika ilay mahazo ny tsinay ohatrany manosika zavatra tsentsina. Henonao hoe misy rivotra tokony hivoaka nefa tsy tafavoaka. Indraindray tafavoaka ihany iny fa indraindray koa mila fandidiana. Ohatran’izay koa ny aty sy vavony. Misy koa ilay aretin-koditra toy ny hoe mibontsimbotsina tazana ety ivelany fa misy fiantraikany any anaty koa nefa. Miantraika amin’ny nofo na «peau» sy ny «muqueuse» na ny manaraka ny nofo izany. Ny mety hampifandray ireo aretina ireo dia rehefa maratra, ohatra, ilay taova any anaty, tahaka ny tsinay, ka misy masaka dia miaina ny atao hoe «colique» indray ilay olona. Ny fahavoazan’ny aty na vavony izany no tena mahatonga ilay «colique». Samy manana ny toe-batany ny olona ary mety misy ifandraisany amin’ny resaka tsy fahazakàna sakafo koa ilay izy. Miantraika amin’ny hoditra sy tsinay ilay izy avy eo. Izay no mahatonga ilay tandimerina na bontsimbontsina mivoaka na fahaseporana amin’ilay olona koa indraindray, hoy hatrany ity mpitantana ny Klinika Saint Thomas etsy Faravohitra ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-oct-2026

Mailo sy mampitandrina ny Fanjakana…

Card image cap
Ady
16-oct-2026

Ady amin’ny fahantrana no sady

Card image cap
15-oct-2026

Miverina mamely indray ny

Card image cap