airtel

Fahasalamana

21-févr-2024

Dr Marius Ramaroson

«Mety mahafaty ny aretina miparitaka, mila ampiana ny hery fiarovana…»

Sample post image

Na ny aretina momba ny tratra na ny resaka Choléra na izay mety mahazo

21-févr-2024

ny maso sy ny lalan-drivotra satria mifanakaiky ihany ireo ary mety entin’ny lalan-drivotra any amin’ny kibo koa iny ka amin’ny ankapobeny dia azo heritreretina hoe aretina entin’ny tanana daholo ireo aretina miparitaka ankehitriny, hoy ny Dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson. Ny Choléra izao entin’ny tanana maloto fa isan’ny entin’ny tanana koa ireny COVID ireny, hoy izy. Ny fitaran’ireny dia mety mahafaty satria na io ho tonga any amin’ny lalan-drivotra, na tonga any amin’ny tsinay ary mety ho tonga any amin’ny tratra mihitsy. Miditra any amin’ny lalan-kanina io dia mety mahazo an’izay koa ilay maso. Izay no mahatonga an’ilay olona reraka. Ny aretina entin’ny rivotra moa dia mbola anatin’ny gripa ihany. Mila ampiana ny hery fiarovan’ny olona ary isan’ny manampy an’izany ireny vitamine C sy sakafo ara-pahasalamana efa fanaontsika nahazatra ireny. Mety mahafaty ny aretina miparitaka, mila ampiana ny hery fiarovana, hoy hatrany ity mpitantana ny klinika Saint Thomas ity namehy azy.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique