noraisina kaominina samihafa toy ny fisamborana na famonoana mihitsy ireo alika mirenireny. Isan’ny nandray izany fepetra izany, ohatra, ny tao Toamasina sy ny tetsy amin’ny kaominin’Ambavahaditokana, raha ny tsiahim-baovao voaray farany teo. Misongadina eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana eto Madagasikara indray, noho izany, ny mikasika ny aretina aromontana. Aretin’ny biby izy io, hoy ny Dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson. Ireo biby mampinono na «mammifère» no resaka eto, hoy izy. Ny alika sy ny saka no tena misy azy. Ao anatiny koa ny fosa. Ao amin’ny roran’ireo biby no tena misy io aretina io. Iny rora iny rehefa mikaikitra olona ilay biby dia iny no mamindra ilay aretina amin’ny olombelona. Izany hoe tsimokaretina na «virus» koa izany io. Na amin’ny olona io na amin’ny biby no miseho dia misy karazany miisa 2. Mety hisy fihetsika mafy be avy amin’ilay olona dia ilay hoe romotra. Ao anatin’izay mety ho mora taitaitra izy na «hyper excité». Ny faharoa dia ny antsoina hoe «rage paralytique» na aromontana mampalemy. Lasa malemy ilay olona. Na ilay olona izany romotra na lasa malemy ary mahafaty avokoa ireo aretina ireo rehefa voamarina fa ao anatin’ilay olombelona. Mamely ny atidoha sy ny tsokan-damosina tsinona io aretina io. Efa tamin’ny andron’izany Louis Pasteur izany no efa nisy ny aromontana. Ny fisorohana haingana no tsy maintsy atao amin’ny aromontana. Ny mitsabo, mety efa tara loatra! Misy ny atao hoe PPE na «Prévention post-exposé», izany hoe, atao rehefa voakaikitra ilay olona. Sasàna tsara amin’ny rano sy savony mandritry ny 15 minitra eo aloha ilay toerana voakaikitra. Manatona toerana fanaovana vakisiny dia ny etsy amin’ny Institut Pasteur avy eo. 12 minitra aorian’ny fitrangan’ny aretina no maty ny olona, raha sanatria tsy vita izay fisorohana izay. 2 na 3 volana eo no mety hikotrehan’ilay aretina anatin’ilay olona. Izay no anton’ilay hoe vao voasasa ilay voakaikitra dia tokony hanatona ny Institut Pasteur avy hatrany manao vakisiny. Mety herinandro koa io dia mitranga fa amin’ny ankapobeny ilay 2 na 3 volana teo. Manatona toerana fanaovam-bakisiny! Fiarovana amin’ny alalan’ny vakisiny miady amin’ny aromontana na «vaccin antirabique» ihany no azo atao fa io rehefa tsy izay ka mihombo ilay aretina dia 100% maty foana ilay olona. Ny fisehony koa ohatran’ireny tratry ny aretin’ny tsimokaretina toy ny gripa ireny ihany. Marary an-doha, reraka, manavy, avy eo ilay izy mahazo ny atidoha dia romotra ilay olona. Rehefa romotra be izy dia atahorana ka fadiana aloha ny manome azy rano satria miteraka ny atao hoe «spasme», izay vao mainka mankarary azy izany. Izay ilay hoe «hydrophobie». Raha tsofin’ny rivotra koa izy dia tratry ny hoe «aérophobie» dia mihetsika ilay krizina aromontana, hoy hatrany ity mpitantana ny klinika Saint Thomas Faravohitra ity.
J. Mirija
Tafiditra tanteraka ao anatin'ny vanim-potoanan'ny ririnina isika ankehitriny,