airtel

Fahasalamana

13-mars-2024

Dr Marius Ramaroson

«Tena samihafa ny loto tany amin’ny 1970 sy 1980 mitaha amin’ny ankehitriny»

Sample post image

Ny aretina mahakasika ny sofina sy tenda na ativava ary orona

13-mars-2024

no antsointsika hoe ORL, hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson. Ankehitriny moa dia lasa voakasika koa ny maso, izany hoe, ORLO, hoy izy. «Ophtalmologie» no dikan’ilay «O» farany. Ny lalan-drivotra no mampifandray ireo rehetra ireo. Lojika raha manombana ny OMS amin’izao hoe ny 1,1 miliara amin’ny mponina maneran-tany no mety ho isan’ny marenina amin’ny 2050. Resaka loto eo amin’ny resaka feo eo na «pollution sonore». Io loto io no tena mahatonga aretina amin’ny lafiny rehetra. Tena samihafa ny loto tany amin’ny taona 1970 sy 1980 tany mitaha amin’ny ankehitriny. Isika mihevitra fa maoderina sy voasivana kokoa ny loto amin’izao nefa arakaraky ny maha manahirana na «sophistiqué» ny zavatra iray no maha lehibe ny fiantraikany ara-pahasalamana. Mila tandremana, noho izany, ny tsy hidiran’ny loto amin’ny orona, vava, sofina. Misy efa fetra izao, ohatra, apetraky ny OMS amin’ny resaka feo hoe izao «décibel» no mahatonga fikorontanan’ny faharenesana na «traumatisme sonore» dia tokony mba arahana izay. Ny olona tratry ny fipariahana aretina aty amin’ny orona tonga any amin’ny sofina na «infection» izany mba tokony misoroka ny fifampikasohana amin’ny hafa satria sady fiarovana ny tenanao izay no fiarovana ny hafa. Isan’ny ilaina ireny arotava sy arotanana ireny. Ny fiarovana manaraka moa dia ny fitsaboana rehefa sendra tratran’ilay aretina satria ny fitehirizana an’io aretina io dia miteraka fahasarotana be dia be ary mety hitera-doza ho an’ny hafa koa, hoy hatrany ity mpitantana ny klinika Saint Thomas etsy Faravohitra ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tafakatra 65% ny tahan’ireo tanora tovovavy sy vehivavy manao fanabeazana aizana eto amintsika

Card image cap