airtel

Fahasalamana

29-avril-2021

Fahasalamana

Dr Tina Andrianarisaina « Ny tsy fampiharana fepetra no manaparitaka ny aretina »

Sample post image

Maro ny marary, feno ireo tobim-pahasalamana, nisy ireo namana maty tampoka ary tsy fantatra izay nahazoana ny aretina....

29-avril-2021

 

 

Ny tsy fitandremana sy ny tsy fampiharana ireo fepetra samihafa no mahamaro ireo mitondra ny tsimok’aretina miriaria eny rehetra eny, hoy ny Dr Tiana Andrianarisaina. Manafina aretina ny marary satria matahotra hôpitaly. Raha tsimok’aretina (virus) no resahina, dia manomboka amin’ny fisian’ny tranga iray monja ny ady, ary tsy mifarana raha tsy foana tanteraka izany, satria haingana be ny fihanaky ny aretina, hoy ny fanazavany. Mahery vaika ny aretina, miafina endrika, ary mamono haingana. Tsy fantatra intsony izay soratr’aretina miseho voalohany, ka mamitaka ny maro, hoy ny Dr Tiana Andrianarisaina. Ny fitandremana no zava-dehibe, ho an’ny tena sy ho an’ny hafa, ary mila toe-tsaina mendrika izany,hoy izy. Ataovy fahazarana ilay manasa tanana, maka elanelana, miaro ny vava sy orona… Alamino ny fomba fiainana. Mivavaha isan’andro ho an’ny ankohonana, ny malagasy, ny mpitondra, ireo marary. Ataovy mafàna ny rano sotroina, ary aza alefa any amin’ny vava, orona, maso ny tanana. Rehefa eny an-dalambe, dia halaviro ny fitangoronana sy fisisihana, ny mandray tanana, ny mifanoroka. Notsiahiviny moa fa raha vantany vao mahatsiaro tsy metimety dia tokony hanatona mpitsabo fa tsy hanao dokotera tenany. Farany izay tsy kely akory dia manafatra antsika ity dokotera iray ity mba hahay hisaotra an’Andriamanitra mandrakariva amin’ny oxygène izay omeny isan’andro tsy vidiam-bola.

Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mbola betsaka ireo zaza tsy vita vaksiny eto amintsika indrindra fa ny any ambanivohitra.

Card image cap