Kaominina miisa 3 no iasany eto ary iseharany bebe kokoa amin’ny fahadiovana amin’ny alalan’ny tetikasa Alisota, hoy izy. Tsy iza moa ireo kaominina ireo fa Tanjombato, Ambohimangakely, Ampitatafika. Antony nisafidianana ireo kaominina ireo dia noho ny fahitana fa filamatra na “pilote” eto Madagasikara izy ireo. Raha sitrapon’Andriamanitra kosa dia mety hitohy amin’ireo kaominina hafa izany, hoy hatrany ny tenany. Samy efa nahazo izay mari-pankasitrahana amin’ny maha kaominina voafidy ho fitaratra amin’ny fahadiovana sy fidiovana izay moa ireo kaominina miisa 3 ireo, hoy ny fanamarihana.
J. Mirija
Tsy manana fahafahana ny hitsabo tena ny ankamaroan’ny Malagasy. Raha aretina mbola azo hiafiafiana dia tsy maintsy hiafiafiana sitrany ahay hamidy sakafo, indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao.