airtel

Fahasalamana

22-mars-2024

Fahafatesana marary tao amin’ny HJRA

Dokotera roa voatory, naneho ny alahelony ireo mpitsabo

Sample post image

Maneho ny alahelony ny dokotera manerana ny nosy amin’izao fotoana izao,

22-mars-2024

fa noraisina ho tsy misy lanjany ry zareo sy ny asany, hoy ny vaovao avy amin’ireo mpitsabo. Be loatra mantsy ireo naman'izy ireo miaka-midina eny amin'ny fitsarana, na zandary, na mpanao famotorana satria betsaka ny famporisihina ny olona hankahala azy ireo, hoy ireo mpitsabo. Manamarika moa izy ireo fa tsy misy ataon'ny Minisitera eto fa mijery fotsiny, na koa manisy sira aza matetika. Ny andron’ny omaly izao dia nanao diabe ireo solotenan’ny mpiasa ao amin’ny HJRA Ampefiloha nanotrona sy nankahery ireo namany satria dokotera anakiroa ka ny iray anesthésiste réanimateur, ny iray kosa chirurgienne, izay tratry ny fanenjehana. Raha hiverenena, zafikelina kolonely no narary mafy, efa notazonina hopitaly hafa, ka nafindra tao amin'ny HJRA. Nodidiana malaky ilay zazakely nefa tsy tana ny ainy. Nitory ireto fianakaviana ho famonoana olona tsy nahy. “Malahelo izahay mpitsabo, fa mbola arahina vava ratsy, hatramin'ny filazana fa izy ireo mihitsy no hanatitra mangahazo eny Atanimora ho an'ireto dokotera, nanao izay vitany hanavotana ilay zaza”, hoy ny fanazavana avy amin’ny akolafin’ireo mpitsabo. Mahatsiaro tsy misy mpiaro ny mpitsabo amin'ny asany, izay manao ny faraheriny, fa tsy tompon'ny aina, kanefa etsy ankilany, dia mahatsapa izy ireo, fa mitazam-potsiny ny eo anivon'ny sampan-draharaha sy ny ministera mpiahy. Fanairana ihany no nataon'izy ireo omaly satria niatrika famotorana, dia miandry ny tohiny hanolorana azy azy ireo eny amin’ny fampanohavana. Hatahorana ny mety hanakatonan'ny mpiasa ny hopitaly rehefa fa tsy manao na inona na inona ingahy ministra sy ny ekipany, hoy hatrany ireo dokotera sy mpisehatra amin’ny fitsaboana.
Toky R
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tafakatra 65% ny tahan’ireo tanora tovovavy sy vehivavy manao fanabeazana aizana eto amintsika

Card image cap