airtel

Fahasalamana

15-mai-2026

Fahapoizinana ara-tsakafo

Spaghetti sy sardine no nampidi-doza

Sample post image

Olona miisa 11 avy amin'ny

15-mai-2026

fianakaviana iray ao Mahabo Faritra Menabe no tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo ny 11 May teo. Spaghetti sy sardine, natao sakafo izay nokarakaraina tao an-trano no nampidi-doza. Tokony ho adiny dimy taorian’ny nihinanan’izy ireo ny sakafo no nanomboka niseho ny soritr’aretina. Nentina notsaboina tao amin’ny hopitaly Mahabo izy ireo. Dimy tamin’ireo marary no voatery notazomina noho ny filàna fanaraha-maso akaiky, saingy tsy naharitra ela no nijanonan'izy ireo tao amin'ny hopitaly rehefa nihatsara sy tsy misy ahiana ny toe-pahasalaman’ireo marary ireo. Manentana hatrany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ho an'ny rehetra ny amin’ny fanajana ny fahadiovana sy ny fitahirizana tsara sy ara-pahasalamana ireo sakafo ho fisorohana ny tranga fahapoizinana ara-tsakafo tahak'izao.
Jean D.
Ireo marary notsaboina tao amin'ny hopitaly Mahabo
 

Dans la même rubrique