airtel

Fahasalamana

17-août-2021

Fahasalamana

Fahasalamam-bahoaka Nampanantena fa hiasa mafy ny minisitra vaovao

Sample post image

Tontosa soamantsara omaly ny famindram-pahefana teo amin’ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka teo aloha ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis sy ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka

17-août-2021

 vaovao ny Profesora Randriamanantany Zely Arivelo. Nivoitra nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’ity farany fa hanao araka izay tratrany izy mba hahatanteraka ilay fahasalamana manakaiky ny vahoaka. Anisan’ireny ohatra ny fanohizana ny fijerena ireo toerana mbola tsy misy hopitaly nefa be mponina. Toraka izany ihany koa ny fijerena ny fitaovana ilaina hahafahana mijery akaiky ireo Renim-pianakaviana saro-piterahana sy olona tratry ny tsy fahasalamana ka mila fandidiana maika. Nisaotra ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra izay nampiakatra avo ny kalitaon’ny asan’ny Ministera kosa ny Ministra teo aloha ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis raha nandray fitenenana. Tsy adinony nandritra izany ny niarahaba sy nitso-drano ity farany amin’ny andraikitra goavana izay hosahaniny ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy. Tao anatin’ny firahalahiana tanteraka moa no nanaovana izany, notronon’ny fianakaviam-ben’ny Ministera sy ireo mpanao gazety.
Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mbola betsaka ireo zaza tsy vita vaksiny eto amintsika indrindra fa ny any ambanivohitra.

Card image cap