airtel

Fahasalamana

10-sept-2021

Fahasalamana

Fahasalamana ara-pananahana Namoaka boky ny Dokotera Rakotobe Andriamaro

Sample post image

Navoaka ho fanta-bahoaka omaly Notanterahina omaly tetsy Anosy ny fampahafantarana ny boky "Guide de Gynécologie - Obstétrique pour le Médecin Généraliste"

10-sept-2021

 nosoratan'ny dokotera Rakotobe Andriamaro Andriantsirombaka. Natao teo ambany fiahian-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, ny lanonana amin'ny maha-mpiahy ny tontolon'ny boky azy, notronin'ireo mpiara-miasa aminy, ary ireo manam-pahaizana mpitsabo samihafa misehatra amin’ny asa fitsaboana. Tanjona amin’ity boky ity ny mba hahafahana mifampizarana traikefa ho an’ireo mpitsabo rehetra entina hanatsarana ny tolotra omena ny vahoaka. Vonona hatrany ny hanohana ary hanampy tosika ireo mpikaroka Malagasy ka hamadika ny fikarohany ho boky ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, hoy Ramatoa Minisitra. Tafiditra ao anatin'ny fandaharan'asan'ny Minisitera rahateo ny fameloma-maso sy famerenana ny fitiavana mamaky boky hoy hatrany izy. Nametraka ihany koa ny Ministera nandritra ny fanamboarana natao teo anivon'ny tranombokim-pirenen'i Madagasikara ny taona 2020, ny tahalan'ny fandalinana sy ny fikarohana. Manosika ny famoahana boky isan-karazany ary manome sehatra hahafahana mampahafantatra izany eo anivon'ny tranom-bokim-pirenena eto Madagasikara hatrany moa ny ministera.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ankoatran’ny resaka fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday na serasera

Card image cap
22-avril-2024

Ny 90%-n’ireo ankizy latsaky ny 6 taona eto amintsika no fantatra fa tratry ny aretin-nify.

Card image cap