tia tanindrazana

Parution du Mardi, 6 Juin 2023

airtel

Fahasalamana

Fahasalamana “Mamely olona maro indray ny Coronavirus”

Mamely olona maro indray ankehitriny ny Coronavirus, hoy ny filohan’ny mpitsabo malagasy FITRAMA, Jean Nirina Rafanomezantsoa. Nahavita dingana isika, hoy izy,

04-nov-2022

Sample post image

tamin’ny nahafahana niala tamin’ny fihibohana sy fanalana arotava. Zava-dehibe ny hery fiarovana izay azo amin’ny fahampian’ny torimaso, fisotroana rano, fanamboarana ny lafiny ara-tsaina mihitsy. Ho anay eto amin’ny FITRAMA izao dia tena nahita hoe miroborobo tokoa ilay izy tamin’ny tapa-bolana. Mety amin’ny alalan’ny sery na areti-tenda na tsy maheno fofona. Mampirisika ny rehetra hoe manatona tobim-pahasalamana. Mahita koa eny rehetra eny fa maro ny faty izay mety tsy hanatonana dokotera nefa ezaka tokony atao. Manana olana koa isika ankehitriny eo amin’ny resaka tontolo iainana, rivotra amin’ny resaka doro tanety. Eo ny tsy firaharahiantsika mihitsy ny resaka sakafo nefa tena zava-dehibe ny tsy fanaovana tsirambina izany, hoy hatrany ny tenany.


3 no tranga vaovaon’ny coronavirus ny herinandro’ny 1 ka hatramin’ny 7 oktobra.12 izany ho an’ny 9 ka hatramin’ny 21 oktobra ; niakatra ho 43 kosa ireo tranga vaovao ny herinandron’ny 22 ka hatramin’ny 28 oktobra.Ny faritra Analamanga no lohalaharana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Miary Toliara II Mirongatra ny gripa sy ny tazo mahery, efa nisy ny maty
06-juin-2023

Mirongatra sy mahazo vahana fatratra any amin’ny Fokontany Ankoronga, kaominina ambanivohitra Miary, distrikan’i Toliara II amin’izao ny gripa sy ny tazo mahery.

Card image cap
Fitsaboana natoraly Nianarana, tsy misy hidiran’ny tontolon’ny fanahy
06-juin-2023

Betsaka ireo olona lasa matahotra sy miahiahy momba ny fitsaboana natoraly amin’izao. Miha mitombo isa rahateo izy ireny eto amintsika no sady milaza ho mahay manasitrana avokoa.

Voir plus