airtel

Fahasalamana

14-juil-2026

Fahasalamana

Mitondra tohana an-jatony

Sample post image

tapitrisa dolara i Etazonia

14-juil-2026

Manohy ny tohana enti-manatsara ny tontolo ara-pahasalamana eto Madagasikara ny governemanta Amerikanina. Natolotra omaly 13 jolay tao anatin’ny lanonana natrehin’ny Mpiandraiki-draharaha amerikana Steve Bremner sy Kolonely Michaël Randrianirina izany. Nanome odimoka miisa 989 250 mitentina 2 tapitrisa dolara, hozaraina amin’ny distrika 63 sy tobim-pahasalamana 1 661 manerana ny nosy. Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa stratejika eo amin’i Etazonia sy Madagasikara ity fanampiana mitentina 2,2 tapitrisa dolara ity. Hozaraina manomboka ny oktobra 2026, ka ny GHSC-PSM no hiandraikitra ny fizarana. Ny fifanarahana nosoniavina tamin’ny Desambra 2025 dia manome tohana mitentina 134 tapitrisa dolara ho an’ny sehatry ny fahasalamana mandritra ny taona 2026–2030. Nanamafy i Steve Bremner fa tsy asa fanasoavana fotsiny fa fiaraha-miasa stratejika, ka ny dolara rehetra omen’ny mpandoa hetra amerikana dia tsy maintsy mitondra vokatra azo refesina. Tanjona ny hampihena ny fiankinan-doha maharitra amin’ny fanampiana ivelany. Ny rafi-pahasalamana matanjaka kokoa dia manampy amin’ny fitsirihana sy fifehezana areti-mifindra, hoy ny fanamafisana. Mbola isan’ny aretina mitarika fahafatesana betsaka eto Madagasikara ny tazomoka. Natolotra ihany koa ny fitaovana ara-pahasalamana sy ilaina amin’ny laboratoara miisa 908 523 mitentina 180 000 dolara. Tafiditra ao anatin’izany ny fitaovana fiarovan-tena sy fitaovana fitiliana. Misy rafitra nomerika STRIDES ho an’ny fanaraha-maso ny aretina. Ireo fitaovana ireo dia manampy amin’ny fitsirihana valan’aretina toy ny nendran-drajako, pesta, haromotana, lefakozatra ary Ebola. Famatsiam-bola mihoatra ny 30 000 dolara no natokana ho an’ny fitaovana Starlink miisa 33. Ahafahan’ny tobim-pahasalamana lavitra mandefa angon-kevitra haingana ireo fitaovana ireo. Ny MCGL no hanatanteraka ny tetikasa Starlink. Navoitra hatrany fa manampy amin’ny fiarovana ny fianakaviana amerikana sy malagasy, anatin’ny fiaraha-miasa manamafy ny fahavitan-tena sy ny fahasalamana eto Madagasikara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

Maromaro ny olana ara-pahasalamàna

Card image cap