airtel

Fahasalamana

10-mars-2021

Fahasalamana

Fahasalamana Nanolotra fiara 10 ny Koreanina Tatsimo

Nanolotra fiara fitondrana marary na “ambulance” miisa 10 ONG Koreanina "African Future Foundation Madagascar"

10-mars-2021

 

 hanatsarana ny kalitaon’ny rafitra sy tolotra ara-pahasalamana ankapobeny eto Madagasikara. Tonga nanatrika ny fanolorana ofisialy izany ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr Rakotovao Hanitrala Jean Louis sy ny Masoivoho Koreana Tatsimo miasa eto Madagasikara, SEM Yongho Son. Nambaran'ny Ministra fa tsy amin’ny ady amin’ny COVID-19 irery ihany no hampiasana ireo "ambulance" ireo, fa haparitaka any amin’ireo distrika lavi-dàlana sy maro tranga-na lozam-pifamoivoizana, ary ho an’ireo hopitaly lehibe izay mbola tsy manana ahafahan’ny vahoaka misitraka izany. « Fahasalamana ho an’ny rehetra tsy ankanavaka », izay no velirano faha-5 nifanaovan’ny filoham-pirenena tamin’ny vahoaka Malagasy, ary izao fampitaovana izao dia tohin’ny ezaka sy paikady apetraky ny Minisitera anatanterahana izany, hoy ny fampitam-baovao.

Toky R

Dans la même rubrique