airtel

Fahasalamana

15-avril-2021

Fahasalamana

Fahasalamana sy fitsaboan-tena Efa tsy natao ho an’ny sarambabem-bahoaka intsony

Sample post image

Mampitaraina sy mampikolay vahoaka ny fitsaboana marary eto Madagasikara. Hatramin’ny olona sokajiana ho manan-katao aza vaky vava,

15-avril-2021

 

 

 

 toa ilay Mpiaro ny ben’ny tanànan’Antananarivo Jean Marc Koumba, izay naneho sy nanamarika fa 510 000 Ar ny fanaovana Scanner. “Tena zava-doza sy mampalahelo, ary tsy te haka sary an-tsaina ny mahazo ny olona izay tsy mba manana herijika aho, tena tsy rariny, hoy ny nambarany tamin’ny teny vahiny, raha hatao dikan-teny malalaka. Nomarihiny rahateo fa ny trano fiantohana dia tsy mandray an-tànana raha toa ka covid-19. Mampalahelo tokoa ny tsy manam-bola eto Madagasikara. Vao ny “scanner” io, fa mbola hafa ny lafiny hafa, ary porofo mivaingana ny fiatrehana ny coronavirus. Vidiana 2 080 000 Ar ny « oxygène » miampy ny fitaovana miaraka aminy, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly. Naman’ny maty rehefa tsy manam-bola ary miharihary io ankehitriny. Tena maika ny fikarohana hevitra hahamaivana kokoa ny saram-pitsaboana eto Madagasikara, ka mba samy hahazo fitsaboana ny rehetra fa tsy ampahany amin’ny Malagasy ihany no afaka manao fitsirihana ara-ppahasalamana sy mamaonjy dokotera na koa miditra hopitaly. Ny hoe hatao fandidiana izany moa dia efa tsy resahina intsiny. Avy eo mbola hoe mila paosin-drà maro. Tsy afa-mamokatra tsara anefa ny vahoaka manana fahasalamana tsizarizary. Lasa taratra sy hanavahana ny sarangan’ny Malagasy ankehitriny ny fahafahana mitsabo tena, ka ny ankamaroany dia tsy manana ny fahefana hanao izany. Manodidina ny 300 hatramin’ny 400 miliara Ar isan-taona ny tetibola ho an’ny Minisiteran’ny fahasalamana, izay mbola ambany mitaha ny an’ny Minisitera sasany. Rehefa atao ny kajikajy, mandany 1 miliara Ar isan’andro izany ny Minisitera. Hatramin’ny fivalanan-drano aza anefa handoavam-bola any amin’ny Hopitalim-panjakana. Sady mampahalahelo no mahatezitra.

Toky R

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Mitana anjara toerana goavana amin'ny kalitao ny tolotra fanafody sy kojakojam-pahasalamana

Card image cap