airtel

Fahasalamana

28-juil-2022

Fahasalamana

Fahasalamana Tsy ny aretina sohika ihany no mahafaty

Sample post image

Niteraka resabe teto amintsika tato anatin’ny andro maromaro izao ilay aretina soika nahafaty ny mpanankato Rak Roots.

28-juil-2022

Tena mahafaty tokoa io aretina io raha araka ny fanazavan’i Mandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Aina Soa etsy Namontana indrindra fa rehefa manao krizy. Misy zavatra kely be dia be mamoaka bolobolo mantsy raha araka ny fanazavany ao amin’ny taovam-pisefoana nefa mihatery ilay lalan-drivotra hany ka sempotra be avy hatrany ilay olona. Fa tsy ny aretina sohika ihany raha araka ny fanazavany no mahafaty. Mahafaty ihany koa hoy izy ny fo misy rano, ny dona mety mahazo ny tratra, ny aretim-bavony ary miteraka gazy any amin’ny tratra dia manempotra raha toraka izany ihany koa ny viriosy tafiditra ateraky ny valan’aretina Covid 19. Samy azo tsaboina tsara avokoa anefa ireo aretina ireo raha araka ny fanazavany. Ho an’ny sohika manokana dia anisan’ny toro-hevitra nomeny ny fisotroana ranom-boankazo kiwi sy akondro. Ampiana rano iray vera sy tantely izany fanafody izay samy miady amin’ny Alerzia.
Pati
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ankoatran’ny resaka fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday na serasera

Card image cap