airtel

Fahasalamana

27-mai-2022

Fahasalamana

Fahasalamana Votsa ara-tsaina ny 3% n’ny Malagasy

Sample post image

Ny 3%-n’ny mponina manerana ny Nosy no fantatra fa tratry ny havotsana ara-tsaina. Amin’ny ankapobeny dia mbola zaza izy ireny dia efa hita amin’ny alalan’ny fihetsiny, toe-batana izay hahafahana mianatra sy manovo fahalalana

27-mai-2022

tsara ihany anefa. Anisan’ny fomba hahafantarana azy ireny ny tsy fahaizan’ilay zaza miteny ohatra, ny fisian’ny rarakivy mandeha maharitra amin’ny vavany izay manambara ny fisian’ny tsy fahatombonana tsara amin’ny sainy raha misy ihany koa ireo manana olana kely ara-batana. Ho an’ny orchidee blanche eny Androhibe manokana, ivon-toerana izay mandray an-tanana ireny ankizy ireny dia mahatratra 15.000 hatreto ireo ankizy efa noraisiny an-tanana tao anatin’ny 50 taona nijoroany. Ahitana ny sokajin-taona rehetra izany. Hampianarina manoratra ny ankizy no sady mamaky teny ihany koa, raha araka ny fantatra mba tsy hahatonga azy ireny ho vesatry ny fiaraha-monina. Hampianarina manao asa tanana ihany koa izy ireo. Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly izany fankalazana ny faha-50 taonan’ny orchidee blanche izany. Ankoatra ireo hetsika maro samihafa hotanterahiny dia nisy ihany koa ny opération brioche izay nokarakarain’ny sekoly entina hanampiana ny eo am-pelatanan’ny sekoly ho fanasoavana ireo ankizy raisiny an-tanana. Tsiahivina moa fa mahatratra 18% ireo olona votsa saina sy tratry ny fahasembanana ara-batana eto amintsika.
Pati
 

Dans la même rubrique