airtel

Fahasalamana

01-juin-2023

Fahasalamana

Fahatapahan’ny lalan-dra tampoka Mila fitandremana ny fandroana amin’ny rano mangatsiaka

Sample post image

Zary lasa aretina mpahazo ny olona maro ankehitriny ny fahatapahan’ny lalan-dra. Any amin’ny loha amin’ny ankapobeny no tena henjehin’izy io,

01-juin-2023

raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo. Raha araka ny tarehimarika azo dia olona miisa 232 amin’ny mponina 100 000 no mahita faisana amin’ity resaka AVC na Accident Vasculaire Cérébral ity izany hoe : 2 isaky ny olona miisa 1.000. Voakasik’io avokoa ny salan-taona rehetra raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo toy ireo tanora vao 18 taona ka hatramin’ireo olon-dehibe mihoatra ny 60 taona. Ankoatra ny fitandremana ny resaka sakafo, torimaso sy ny fandaminana ny fomba fiaina araka izany dia nanafatra ny mpitsabo fa tokony hotandremana ihany koa ny fandroana amin’ny rano mangatsiaka indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao. Mety hampiova tampoka ilay lalandra mantsy izany hatsiaka entin’ny rano mangatsiaka izany miampy ilay fiondrikondrehana ao amin’ny trano fidiovana. Marihina moa fa raha tsy mahafaty dia mampitondra takaitra mafy toy ny fahalemen’ny vatana ilany sy ny tsy fahafahana mandeha tsara sy miteny tsara intsony ny AVC ho an’ireo izay tratrany. Misy karazany roa kosa ny fahatapahan’ny lalan-drà vokatry toy ny ny fahatsetsenan’izany, na ilay antsoina hoe « AVC Ischémique », raha eo koa ny fahatapahan’ny lalan-drà vokatry ny fahavakisan’izany na ny « AVC Hemorragique ».
Pati
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisy ny hetsika nataon’ny fikambanana Mii’zara niaraka tamin’ny CSB II teny Ambatolampy Tsimahafotsy

Card image cap