airtel

Fahasalamana

12-oct-2026

FAMONGORANA

NY BILARZIOZY

Sample post image

Nahazo fitsaboana

12-oct-2026

maimaimpoana ny tao Andina

Tontosa ny faran'ny herinandro teo ny hetsika fitsaboana bilarziozy sy tifoedra tao amin'ny kaominin'Andina, distrikan'Ambositra, faritra Amoron'i Mania. Hetsika maimaimpoana izay niarahan'ny ben'ny tanàna ao an-toerana miasa amin'ny ekipan'ny Profesora Raphaël Rakotozandrindrainy, izay ben'ny tanàna taloha tao an-toerana ihany.
Ny aretina bilarziozy, raha ny fanazavàna, no tena mpahazo ireo mponina, indrindra, noho ny fijanonana maharitra eny an-tanimbary. Ny fangerena an-kalamanjàna kosa no fositra satria ny bakteria avy amin'ireny loto miparitaka ireny no mankany amin'ny rano kirakirain'ny mponina an-davan'andro toy izay eny an-tanimbary izay.
Miisa 130 mahery ireo mponina ao an-toerana tonga nanao fizahàna sy nandray fitsaboana nandritr'ity hetsika ity, hoy ny tatitr'ireo mpitsabo nanolo tena hanao izay fitsaboana maimaimpoana izay. Miisa 25.000 eo kosa ny mponina ao amin'ity kaominina ahitàna fokontany miisa 15 ity. Hetsika fanao isan-taona izy ity ary efa naharitra iray volana teo izay ny nitetezany ny distrikan'Ambositra, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
Nangonin'i J. Mirija
 

Dans la même rubrique