airtel

Fahasalamana

15-avril-2021

Fahasalamana

Famotehana tsimokaretina na “virus” Haingam-piasa kokoa ny rano sy savony

Sample post image

Fanontaniana tsara apetraka mihitsy ny hoe “inona no tokony hanasana tanana rehefa hisoroka aretina azo amin’ny lalan-drivotra?”,

15-avril-2021

 

 

 

hoy ny fanazavan’ny mpitsabo, Marius Ramaroson. Ny tanana no mitondra tsimokaretina na “virus” any anaty lalan-drivotra amin’ny alalan’ny vava na maso, hoy izy. Ny piti-drora mety mandeha any amin’ny tanana na mandray zavatra amin’iny ny tananao dia tonga any anatinao miditra amin’ny orona na vava izany avy eo rehefa milalao eny ny tanana. Ny akora mamorona otrikaretina dia karazana menaka na hoe “structure lipidique”. Ny savony manala menaka ka rehefa sasana amin’ny rano sy savony ny tanana dia potika ilay tsimokaretina. Mamotika menaka amin’ny tsimokaretina koa ny alikaola. Ny savony no haingam-piasa kokoa raha ny fikarohana nataon’ny “microbiologiste” sy izay mpikaroka momba izany hatreto aloha saingy tsy dia tena mifanalavitra fa eo amin’ny 20 segaondra eo ny elanelany, hoy hatrany ny fanazavany, ary ny savony azo antoka fa tsy hisy fiantraikany hafa amin’ny lafiny fahasalamana fa ny mikasika ny “Gel Hydroalcoolique” moa mbola eo an-dalam-pikarohana izany ny manam-pahaizana.

J. Mirija

Dans la même rubrique

12-avril-2024

Tontosa ny 5 aprily teo, raha tokony ho efa vita ny 29 martsa, ny fandraketana an-tsoratra

Card image cap
12-avril-2024

Tena ilaina ny fanaovana fanatanjahantena ho an’ny olon-drehetra.

Card image cap