airtel

Fahasalamana

07-juil-2022

Fahasalamana

FANADIOVANA NY AO ANATY VATANA “ Indroa isan-taona no tokony hanao detox”

Sample post image

Tena ilaina ny fanadiovana na ny fampiasana ny “detox” amin’ny vatana mba hahazoana fahasalamana. Raha araka ny fanazavan’Atoa Mandimbison Rija,

07-juil-2022

tompon’andraikitra eo anivon’ny Centre Aina Soa etsy Namontana dia indroa isan-taona ny olona iray no tokony hanao izany farafahakeliny. Ho fanadiovana ny vatana vokatry ny fihinanana ireo karazan-tsakafo maro isan-karazany no anton’izany ka anisan’ireny ireo sakafo misy akora simika. Toraka izany koa ny menaka biby sy ireo karazana menaka maloto be kolesterola tafiditra ao anatin’ny vatana izay mankany amin’ny ra antony manosika ny aty tsy hiasa tsara intsony. Ny fihinanana legioma sy voankazo betsaka araka izany dia anisan’ny toro-hevitra nomeny hahafahana mamono ireo karazana loto tafiditra ao anatin’ny vatana. Toraka izany koa ny fisotroana ranom-boankazo vita amin’ny voasary pamplemosy ka ilay efa miloko mena iny no tsara ahodina dia sotroina avy eo. Ho an’ireo tsy manam-potoana na tsy afaka manao izany kosa dia nambarany fa manana « detox » tsara ihany koa ny Centre izay azo sotroina sy hampiasaina avy hatrany ho fitandroana ny fahasalamana. Mety moa na dia ho an’ny ankizy aza ny fanaovana detox.
Pati
Legende : Mandimbison Rija, tompon’andraikitra eo anivon’ny Cente Aina Soa !
 

Dans la même rubrique