airtel

Fahasalamana

27-mars-2024

FANAFODY HO AN’NY FARITRA ATSIMO

Vonona hamatsy vola ny Salama ny Vondrona Eoropeana

Sample post image

Mitana anjara toerana goavana amin'ny kalitao ny tolotra fanafody sy kojakojam-pahasalamana

27-mars-2024

ho anireo tobim-pahasalamana miankina amin’ny fanjakana manerana ny Nosy. Hatreto dia ny tobim-pamatsiana Salama no mamatsy azy izay mahatratra an-jatony. Nisy araka izany ny fifanaovan-tsonia famatsiam-bola hahafahana manatsara sy manamafy ny famatsiana fanafody araka ny filàn'ny mponina, fa indrindra hanitarana ny toerana fitahirizana, ho an'ny Faritra Atsimon’ny ny Nosy. Tetsy amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka Ambohidahy no nanatontosana izany omaly Talata 26 Martsa. Tonga nanome voninahitra ity fifanarahana teo anivon'ny Salama sy ny Vondrona Eropeanina tamin'ny alalan'ny AFD ity ny Sekretera Jeneralin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, Dr Léthicia Lydia Yasmine. Fantatra moa fa hanomboka tsy ho ela ny asa amin’ny fanitarana ireo toerana fitehirizana fanafody mba tsy hanana olana intsony ny marary, indrindra fa ireo vehivavy tonga hiteraka sy ireo manaraka ny fomba fandrindram-piainam-pianakaviana.


Pati
Legende Nandritra ny fifanaovan-tsonia notanterahina omaly
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mbola betsaka ireo zaza tsy vita vaksiny eto amintsika indrindra fa ny any ambanivohitra.

Card image cap