airtel

Fahasalamana

16-oct-2026

Fanahiana

hidiran’ny Ebola

Sample post image

Mailo sy mampitandrina ny Fanjakana…

16-oct-2026

Mitohy manara-maso akaiky ny fivoaran’ny valanaretina Ebola any Kenya ny manampahefana malagasy ary manamafy hatrany ny antso ho amin’ny fahamailoana sy ny fanarahana ireo fepetra ara-pahasalamana. Araka ny nambaran’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ao Kenya, dia nisy tranga faharoa voamarina tamin’ny 14 Oktobra nahitana olona voan’ny virus Bundibugyo, iray amin’ireo karazana viriosy mahatonga ny aretina Ebola. Lehilahy iray 39 taona no voakasik’ity tranga vaovao ity. Fantatra fa nifandray tamin’ilay marary voalohany izy talohan’ny nahitana ny aretina taminy. Nambaran’ny tompon’andraikitra ihany koa fa efa nisy ny aina nafoy vokatry ny fihanaky ny aretina, ka iray amin’ireo marary roa voamarina no namoy ny ainy izy ireo. Manoloana izany toe-javatra izany, mampitandrina ny vahoaka malagasy ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana mba tsy hanao tsinontsinona ny fepetra fisorohana. Antsoina ny rehetra hanaraka ny toromarika ara-pahasalamana, hijanona ho mailo manoloana izay mety ho soritr’aretina mampiahiahy ary hampandre avy hatrany ny tompon’andraikitra raha misy ahiahy momba ny tranga mety ho Ebola. Ho fanamorana ny fampitam-baovao sy ny fandraisana andraikitra haingana dia manentana ny olom-pirenena hiantso ny laharana maitso 115 ny fanjakana raha sendra misy toe-javatra mampanahy na tranga ahiahiana. Tsara ny manamarika sy mampahatsiahy fa isan’ny mifandray an’habakabaka betsaka indrindra amin’i Madagasikara i Kenya noho ny fisian’ny kaompaniam-pitateran’izy ireo izay isan’ny manao ireo sidina iraisam-pirenena ifandraisan’i Madagasikara amin’ny firenena maro. Tamin’ny 19 Aogositra 2026, nanapa-kevitra ny fanjakana malagasy, nandray fepetra hentitra hisorohana ny fidiran’ny valanaretina Ebola eto Madagasikara. Tamin’izany, naato vonjimaika ny dia rehetra mankany amin’ireo firenena voakasiky ny aretina, ary voarara ny fidiran’ireo vahiny izay nijanona na nandalo tany amin’ireo faritra ahiana tao anatin’ny 21 andro farany. Ireo olom-pirenena malagasy, mponina ara-dalàna ary mpiasa diplaomatika na mpanao asa maha-olona ihany no mahazo miditra, saingy tsy maintsy manao fihibohana 21 andro amin’ny toerana voatokana sy miantoka ny fandaniana rehetra. Asa mbola mitoetra ve ireo fepetra ireo ?
TENA MANDRAVARAVA ANY AMIN’IREO FIRENEN-KAFA
Amin’izao fotoana izao, ny RDC sy Ogandà no ivon’ny valanaretina, raha i Rwanda, Burundi, Soudan Atsimo, Tanzania ary Repoblika Afrika Afovoany kosa no apetraka eo ambany fanaraha-maso hentitra. Raha ny tantaran'ny valanaretina Ebola eran-tany hatramin'ny nahitana azy voalohany tamin'ny taona 1976, dia nahitana tranga 44 103 ary olona 19 829 no voalaza fa maty tamin'ireo valanaretina Ebola voarakitra hatramin'ny 13 Oktobra 2026. Ny valanaretina nahafatesana olona betsaka indrindra dia ilay tany Afrika Andrefana (Guinée, Liberia ary Sierra Leone) tamin'ny taona 2013-2016, izay nahitana tranga 28 616 ary nahafaty olona 11 310. Amin'izao, any RD Congo, efa nahafaty olona 4 410 hatramin'ny 12 Oktobra 2026. Araka ny fanazavan'ny OMS, ny tahan'ny fahafatesana amin'ny Ebola dia eo amin'ny 50% eo ho eo amin'ny salan'isa, saingy mety hiova eo anelanelan'ny 25% sy 90% izany arakaraka ny valanaretina sy ny karazana viriosy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Ady
16-oct-2026

Ady amin’ny fahantrana no sady

Card image cap
16-oct-2026

Ny fahavoazan’ny aty na

Card image cap
15-oct-2026

Miverina mamely indray ny

Card image cap