airtel

Fahasalamana

31-août-2022

Fahasalamana

Fanaintainan’ny nerf sciatique Mety noho ny fipetrahana maharitra loatra

Sample post image

Mahavoa ny nerf sciatique ny fipetrahan’ny olona iray maharitra loatra ambony seza.

31-août-2022

Voakasik’izany ireo mpiasa birao. Mihisaka amin’ny toerana tokony hisy azy mantsy ilay hozatra kely mandalo any amin’ny taolan-damosina iny izay mitarika fanaintainana be tokoa raha araka ny fanazavan’Atoa Mandimbison Rija, mpitsabo eo anivon’ny Centre Aina Soa. Anisan’ny mahavoa ny nerf sciatique ihany koa ny fibatana entana mavesatra loatra, ny fanandramana ny tanjaky ny tena, ny tsy fahaizana mibata entana….Tsy sitram-panafody anefa ny nerf sciatique na ny aretim-balahana fa tsy maintsy amin’ny alalan’ny otra ihany no hahafahana manasitrana azy. Ho an’ireo mpanotra tsy mahay ihany koa anefa dia fantatra fa mety hiteraka fahalemena ho an’ilay olona tratran’ny nerf sciatique ny tsy fahafehezana izany ka ilana fitandremana fatratra. Tsy hanavahana sokajin-taona moa ireo olona tratran’ity aretim-balahana ity fa mety ho voany daholo rehefa tsy mitandrina. Sarotra ho an’ny olona tratrany araka izany ny hiondrika. Toraka izany ihany koa ny miarina eo am-pandriana rehefa matory.
Pati 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Mitana anjara toerana goavana amin'ny kalitao ny tolotra fanafody sy kojakojam-pahasalamana

Card image cap