airtel

Fahasalamana

23-avril-2024

Fanaraha-maso fahasalamana, fitsaboana…

Nampiditra ny Voiladoc ny MVola

Sample post image

Ankoatran’ny resaka fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday na serasera

23-avril-2024

ampitain-davitra dia fantatra koa ankehitriny, raha ny fanampim-baovao voaray omaly, fa efa azo atao koa ny misitraka fanaraha-maso fahasalamana, fitsaboana, fandoavana sara-pitsaboana sy ny mikasika ny antsoina hoe tolotra ara-pahasalamana rehetra amin’ny alalan’ny antsoina hoe Voiladoc. Nampiditra ity tolotra na «application» ity ao anaty finday ny orinasam-pifandraisan-davitra, MVola, hoy ny fanazavana, mba hanamorana izay fisitrahana tolotra ara-pahasalamana izay, indrindra, ho an’ireo toerana lavitra sy ambanivohitra. 24ora/7andro dia azo atao ny mamandrika fihaonana amin’ireo mpitsabo mifandraika amin’izany. Mpitsabo tena matihanina sy manana ny mari-pahaizana mifandraika amin’izany no mandray ireo mila izany amin’ny alalan’ity tolotra ity, raha ny fanazavana voaray omaly hatrany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

14 taona tamin’ny volana martsa teo izao no nijoroan’ny Manda Bio Santé, hoy ny tompony

Card image cap