airtel

Fahasalamana

19-janv-2026

FANATONANA PSIKOLOGY

Tokony hataon'ny olon-drehetra

Sample post image

Tsy ireo olona heverina ho mañana

19-janv-2026

olana ara-tsaina ihany na niharan'ny herisetra na tratry ny fanolanana no tokony hanatona psikology fa ny olon-drehetra hoy ny psikology Rabenoro Mihaja. Tokony hatao izany hoy izy rehefa misy adin-tsaina miverimberina eo am-piatrehana ny fiainana. Eo koa ny tsy fahitana torimaso matetika arahin'ny tsy fahaizana mifehy ny fihetsem-po intsony. Vao misy zava-mitranga dia miteniteny foana sy tezitra mafy ka ahiana handratra na hamono olona mihitsy... Ho an'ireo olona tratry ny fanolanana na herisetra indray dia 72 ora aorian'ilay tranga no tokony hanatona psikology ilay lasibatra mba tsy ho tara loatra. Tsiahivina moa fa mila psikology ihany koa ireo vehivavy voatery nampitsahatra ny fahafahany mitondra vohoka noho ny antony maro samihafa. Misy ratra tsy hita maso mantsy any anatin'izy ireny. Ho an'ny tetikasa Rakemba manokana dia betsaka ireo vehivavy sy ankizy efa noraisiny an-tanana ary nampiany tamin'izany nandritra ny taona maro niorenany. Tanjon'izy ireo ny hahatonga ireny karazan'olona ireny tsy hamoy fo amin'ny fiatrehana ny fiainana, vonona ny hitraka sy hanohy indray ao anatin'ny fanantenana vaovao.
Pati
Légende : Antony voalohany hanantonan'ny olona psikology ny herisetra !
 

Dans la même rubrique