airtel

Fahasalamana

24-mai-2024

FANDIDIANA FO HO AN’NY ANKIZY

Nizotra tsara ny hetsika nataon’ny CENHOSOA voalohany

Sample post image

Nizotra tamim-pilaminana tsy misy atahorana ilay fandidiana fo misokatra voalohany

24-mai-2024

ho an’ny ankizy notanterahin’ny hopitalin’ny miaramila etsy Soavinandriana. Efa nanomboka ny 21 May lasa teo izany ary tsy hifarana raha tsy ny 02 Jona ho avy izao ka ankizy manana olana amin’ny fo miisa 4 no hahazo tombontsoa, nosavanina avy tamin’ny faritra maro teto Madagasikara. Ireo mpandidy avy amin'ny "CHU de Nante (France)" sy "CHU de la Réunion", izay tarihin'ny Dokotera mpandidy Pierre Maminirina no manatanteraka ny asa. Fantatra fa in'efatra na in-dimy isan-taona ao anatin'io fe-potoana voalaza io no hanatanterahan'izy ireo izany eto amintsika. Ny tanjona dia ho voatsabo eto Madagasikara fa tsy voatery mankany ivelany intsony ireo ankizy tratran'io tsy fahatomombanana eo amin'ny fo io. Eo koa ny ezaka rehetra atao hahafeno tanteraka ny traikefa hananan'ireo mpitsabo malagasy izay misehatra amin'io asa fandidina fo io eo anivon'ny CENHOSOA, mba ahafahan'izy ireo mahaleotena tanteraka aorian'izany. Tsiahivina moa fa mitsabo sy mandray an-tanana ireo ankizy manana tsy fahatomombanan'ny fo ny Hopitaly Miaramila etsy Soavinandrina efa ho 30 taona izao. Ny taona 1994 no nisian'ny fandidina fo tao an-toerana, ka tamin'izany dia mbola fandidina fo mikatona na hoe "chirurgie cardiaque à coeur fermé", niarahana tamin'ny CHU de la Réunion tamin'ny alalan'ny "Médecin du monde" no natao, araka ny fitaovana sy ny fahaiza-manao teo am-pelatanana.
Pati
Legende : Mahatratra 13.000 Euro ny fandidiana fo ho an’ny ankizy iray amin’izao any ivelany saingy efa ezahina vitaina eto an-toerana ihany !
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

14 taona tamin’ny volana martsa teo izao no nijoroan’ny Manda Bio Santé, hoy ny tompony

Card image cap