airtel

Fahasalamana

02-sept-2026

Fandraisana

ho mpiasam-panjakana Nanome fe-potoana herinandro indray ny IFIRP

Sample post image

Manamafy ireo mpianatra nivoaka

02-sept-2026

tao amin’ny IFIRP (Institut de Formation Inter-Régionale des Paramédicaux) amin’ny tokony hanafainganana ny fanatanterahana ny fandraisana azy ireo ho an'ny « poste Budgétaire » 300 izay nivoaka ny volana febroary lasa teo, raha ny nambaran’ireo IFIRP Toamasina. Mitarazoka ihany koa, hoy izy ireo, ny fanafainganana ny fandraisana hoan'ny « poste Budgétaire » 500 tamin'ny volana jona lasa teo. Nampahatsiahy izy ireo, fa efa nahavita fifanarahana na « protocole d'accord » in-droa teo anivon'ny ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka fa tsy misy ny tena fandraisana andraikitra fa resa-be « paok'aty » fotsiny ihany, hoy izy ireo, izay mitaky ny fanesorana ny Tale misahana ny maha olona na ny DRH eo anivon’ny minisitera, izay tondroin’izy ireo ho isan’ny anton’ny fitarazohana sy ekipan’ny Fitondrana teo aloha. Raha ny filazan’izy ireo, mananika ny 3000 ireo navoakan’ny IFIRP, izay midika fa betsaka ny lesoka, tsy mandeha ny fandraisana, hoy hatrany ny fanambarana. Nisy anefa ny « engagement décénale » hahatonga azy ireo ho mpiasam-panjakana raikitra, toy ny polisy na zandary na ny hafa izay vao vita ny fiofanana dia miasa, raha ny fanazavana. Noho izany, manome fe-potoana herinandro indray izy ireo hamaliana ny fitakiany dia ny fandraisana mpiasa sy ilay fanesorana tompon’andraikitra. Asa hanao ahoana satria efa ela ihany ity raharaha IFIRP sy Minisiteran’ny fahasalamana ity?
Toky R

 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

fitsaboana any Inde saingy…

Card image cap
03-sept-2026

Mahakasika malagasy maro,

Card image cap