airtel

Fahasalamana

13-mai-2022

Fahasalamana

Fandraisana marary – Hopitalim-panjakana Fandaminana no mahatonga ny fampiandrasana

Sample post image

Niteraka resabe teto amintsika tato ho ato ary zary lasa fanenjehana ireo urgentiste miasa eny amin'ny hopitaly mihitsy ny fisian'ireo fianakaviana manana ny marary tsy maintsy hampiandrasana rehefa tonga manatona azy ireny.

13-mai-2022

Nambaran'ireo tompon'andraikitra fa tsy sanatria resaka vola na fizahana tavan'olona no anton'izany fa misy fandaminana. Samy manana ny fijeriny ihany koa ny dokotera sy ireo manana ny marary hoy ny urgentiste iray ka ny mararibe amin'ireo fianakaviana mbola afaka miandry aorian'ireo tena marary mafy ho an'ny dokotera hoy hatrany ny fanazavana azo. Ny serasera sy ny fahafantaran'ireo mpitondra marary mihitsy ilay fandaminana mihitsy no tsy ampy hoy izy ireo ka tokony hanaovana ezaka. Na izany aza anefa dia nomarihiny fa tsy maintsy voaray an-tanana avokoa ny marary rehefa tonga eny amin'ny hopitaly satria aina no vonjena.
Pati
Legende : Toy izao ny fahsahiranana misy eo anivon'ny urgence indraindray
 

 

Dans la même rubrique