airtel

Fahasalamana

16-mars-2023

Fahasalamana

Fandraisana marary Niaiky ny minisitra fa misy zavatra tsy mety eny amin’ny hopitaly

Sample post image

Niaiky ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka ny profesora Andriamanantany omaly, fa misy zavatra tsy mety sy tsy

16-mars-2023

mirindra araka ny tokony ho izy ny fandraisana ireo marary eny anivon’ireo hopitaly eto amintsika, indrindra fa ny hopitalim-panjakana. Raha hitodihana kely tokoa mantsy dia saika handrenesana fitarainana hatrany izany toy ny kitakita hataon’ny dokotera. Eo ihany koa ny fampiandrasana ela be ny marary, ny fanaovana tsinonintsonina izay toy ny hoe mitaky vola an-kolaka amin’ilay marary…Izany indrindra no anton’ilay fiofanana haharitra 3 andro hatrehin’ireo mpiasan’ny fahasalamana nanomboka omaly teto an-drenivohitra. Ireo mpiasan’ny fahasalamana eo anivon’ny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha, Befelatanana ary ny hopitaly manara-penitra eny Andohatapenaka no nisantatra izany, ezaka mbola hotohizana any amin’ny faritra. Tanjona hotratrarina moa ny hahatsapan’ny marary tsirairay fa olombelona izy ka mendrika horaisina an-tanana araka ny tokony raha sanatria ka tojo tsy fahasalamana. Na izany aza anefa dia nomarihin’ity minisitra ity fa samy manana andraikitra amin’ny fitsaboana ny marary iray ny mpitsabo sy ny mpitondra ilay marary. Tokony hahay hanaja ireo fepetra hapetraka ihany koa araka izany ireto farany hoy hatrany ny fanazavana toy ny fanajana ny ora fidirana sy fivoahana ny hopitaly izay tena misy antony lehibe tokoa.
Pati
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ankoatran’ny resaka fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday na serasera

Card image cap