airtel

Fahasalamana

17-mai-2022

Fahasalamana

Fandraisana Paramed ho mpiasam-panjakana Betsaka ny tsy fahatombonana, hoy ny sendika

Sample post image

Miisa 700 mahery hatreto manerana ny Nosy ny isan’ireo Paramed noraisina ho mpiasam-panjakana taorian’ny fampanantenana nataon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka,

17-mai-2022

noho ny ezaka nataon’izy ireo tamin’ny fitsaboana ireo mararin’ny Covid 19. Paramed nanao asa an-tsitrapo nandritra ny taona maro ny sasany amin’izy ireo raha vao haingana ny sasany. Tsy araka ny tokony hoy izy araka izany ny nanatanterahana ity fandraisana paramed ho mpiasam-panjakana ity, no sady tsy natrehin’ny solontenan’ny sendika ihany koa izay tena mahalala tsara ny maharary ireo Paramed ahitana ny mpampivelona sy ny infirmiera hoy ny fanazavana azo. Betsaka ny tsy fahatomombanana noho izany hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpampivelona sy ny infirmiera eto Madagasikara Ralibera Jerison. Maro ireo fitarainana voaray hoy hatrany izy noho ny fisian’ny kolikoly. Anisan’ny nasiany teny manokana ny filazan’ireo olom-boafidy sasany toy ny Ben’ny tanana sy ny solombavambahoaka fa manana olona tsy maintsy hampidirina ho paramed koa izy ireny, antony mahavitsy ireo Paramed efa nilofo sy niasa fatratra tavela fa tsy voaray ho mpiasam-panjakana. Miandry ireo fitarainana rehetra araka izany ny sendika dia hitondra ny raharaha eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Natrehin’ny Bianco moa raha araka ny fantatra hatrany ny famoahana ny lisitr’ireo Paramed voaray ho mpiasam-panjakana.
Pati
Legende : Ralibera Jerison, filohan’ny sendikan’ny mpampivelona sy ny infirmiera
 

 

Dans la même rubrique