airtel

Fahasalamana

21-juin-2022

Fahasalamana

Fandrindram-piterahana Manamafy ny fanohanany ny Amerikanina

Sample post image

Manohana hatrany an’i Madagasikara ny Amerikanina mba hahatratra ny "dividende démographique" na ny fitomboan’ny harin-karena miainga amin’ny fiovan’ny firafitry ny sokajin-taonan’ny mponina,

21-juin-2022

indrindra rehefa betsaka kokoa ireo ampahany amin’ny mponina ao anatin’ny sokajin-taona afaka miasa miohatra amin’ireo mponina izay mbola tsy afaka miasa na ireo efa tsy afaka miasa intsony. Tombony ho an’ny fandrosoana ara-toekarena ny fiovan’ny firafitry ny sokajin-taonan’ny mponina. Sady mitombo isa hatrany ireo mponina tanora eto Madagasikara no mihena ny taham-piterahana, vokatr’izany dia afaka manararaotra mampitombo ny fampiasam-bola amin’ireo sehatra manan-danja toy ny fahasalamana, ny fampianarana, ny asa, ary ny fitantanan-draharaham-panjakana izay hitondra mankany amin’ny lalan’ny fampandrosoana nizoran’ireo firenena aziatika i Madagasikara ahatonga azy ho firenena manana fidiram-bola antonony. Nisy ny fikaonan-doha avo lenta natao ny 20 Jona lasa teo, teo ambany fiahian’ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana (USAID) izay miara-miasa amin’ny rafitry Firenena Mikambana misahana ny Mponina (FNUAP), ary isan’ny nandray anjara tamin’izany ny ampahany tamin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta Malagasy sy ireo mpamatsy vola iraisam-pirenana, nijery ny endriky ny “dividende démographique” sy ireo fanamby ary ny fahafahana manatratra izany. “Ny dividende démographique dia sady mampandroso ny firenena no manatsara ny fiainan’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina,", hoy ny Mpiandraiki-draharahan’ny Masoivoho Amerikana Tobias Glucksman. Ny fikaonan-doha natao omaly 20 jona dia nokarakarain’ny tetikasan’ny USAID Health Policy Plus izay efa nanohana an’i Madagasikara hahatratra ny “dividende démographique” hatramin’ny taona 2016 tamin’ny alalan’ny fiofanana, ny fananganana vondrona iarahan’ny ministera miasa, ary ny famolavolana sori-dalana ahatongavan’ny firenena amin’izany. Fanomezana 16 tapitrisa dolara isan-taona ho an’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana sy ny fampiasam-bola samihafa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny toekarena kosa no nentin’ny USAID, vola 85 500 000 dolara no nomeny ho fanohanana ireo tetikasa momba ny fahasalamana ataony ny taona 2021.
Toky R
 

Dans la même rubrique