airtel

Fahasalamana

14-janv-2022

Fahasalamana

Faritra Atsinanana Drone no hitaterana fanafody any ambanivohitra

Sample post image

Tanteraka omaly tao Antanambao Nosy Be, kaominina Antetezambaro, faritra Atsinanana ny fanombohana ny ny tetikasa andrana fitaterana fanafody amin'n'ny alalan'ny drone,

14-janv-2022

 izay tetik'asa iarahan'ny Impact sy ny PSI Madagascar ary ny minisiteran'ny fahasalam-bahoaka. Ny fitondram-panjakana malagasy sy ny vahoaka amerikana amin'ny alalan'ny USAID no manohana ny tetikasa, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Haingana ary mamaha olana ireo toerana izay manana tobim-pahasalamana miorina amin'ny toerana saro-dàlana izany. 10 min ka hatramin'ny 15 min no nanateran'ity drone ity ny entana avy eo amoron-dranomasina Antanambao Nosy Be mankany amin'ny CSB Vohitrandiana, mandroso sy miverina. In-droa nanatitra tamin'io toerana io izy ary manatitra in-droa ihany koa tao amin'ny CSB Ambodiriana. Hitohy any amin'ireo CSB hafa anatin'ny distrikan’i Toamasina Il izany ary nampanantena izy ireo fa ho tohizana ao anatin'ny faritra Atsinanana manontolo. Mahazaka 10 kg eo ho eo ilay drone ary afaka mandeha hatramin'ny 100km isan'ora. Tanora malagasy no namolavola io tetikasa io. Ary izy ireo ihany no mikirakira azy. Marihina fa ho fitandremana io fitaovana io dia tsy mbola mipetraka aloha izy hatreto fa eo amin'ny haavo 100 m eny ambony izy no mandatsaka ny fanafody amin'ny elon'aina. Eo no ho eo dia mamaly ny lehiben'ny CSB any an-toerana sy ny ekipa any mikasika ny entana tonga any aminy, hoy hatrany ny fampitam-baovao.

J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mbola betsaka ireo zaza tsy vita vaksiny eto amintsika indrindra fa ny any ambanivohitra.

Card image cap