airtel

Fahasalamana

10-mars-2021

Fahasalamana

Fiainana andavanandro Efa tsy voahaja intsony ireo fepetra ara-pahasalamana

Sample post image

Efa samy mamory olona daholo na ny mpanohitra na ny mpitondra, hoy ilay mpandraharaha iray izay.

10-mars-2021

 

Niaraha-nahita tokoa ny zava-nisy teny Tanjombato sy ny teny Mahamasina ny 6 martsa teo. Ny talohan’izay rehetra moa tsy lazaina intsony fa navela nalalaka hifanerasera tamin’ireo mpankafy azy avy eto an-toerana ny mpanakanto vahiny iray. Tafiditra malalaka ny seranana sy ny lanitr’i Gasikara ihany koa. Any anaty fambolen-kazo, fety aman-danonana isan-karazany, hetsika tarihina minisitera ary eo ambany mason’ireo minisitra isanisany mihitsy dia efa saika tsy ahitana olom-pirenena manao arotava firy intsony. Ny sasany aza moa tsy misy manao mihitsy na ny iray aza, toy izay hita tamin’ny fety niarahana tamin’ny minisiteran’ny serasera farany teo. Izany elanelana iray metatra sy fanasana tanana amin’ny savony matetika izany dia toy ny efa nofy ratsy nandalo. Andrasana, noho izany, ny toromarika “ofisialy” avy amin’ny fitondram-panjakana mikasika ny fandravana amin’izay ity fepetra ara-pahasalamana ity.

 J. Mirija

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisy ny hetsika nataon’ny fikambanana Mii’zara niaraka tamin’ny CSB II teny Ambatolampy Tsimahafotsy

Card image cap