airtel

Fahasalamana

01-févr-2021

Fahasalamana

Fiatrehana ny Covid-19 Efa nahazo « réquisition » vaovao indray ireo Paramed

Sample post image

Raha mbola tsy nahitam-bokany eny fa na dia fisaorana indraim-bava nataon’ny

01-févr-2021

 

 

 

Ministry ny Fahasalamam-bahoaka aza fankasitrahana ireo paramed eto amintsika tamin’ny ady natao tamin’ny valan’aretina Covid-19 hoy izy ireo dia efa nahazo requisition vaovao indray izy ireo. Ny alakamisy lasa teo no nivoahan’izany raha araka ny fanazavan’Atoa Andriambololona Soavina, filohan’ny antena sendikaly eo anivon’ny Paramed tamin’ny mpanao gazety ary tsy maintsy tanterahina. Milaza fa sahirana ny fanjakana hoy izy, antony tsy mbola hanefany ny fitakianay nefa zandary, miaramila ary polisy an-jatony no omena indemnite sy hiantohana sakafo atoandro niandry anay teny amin’ny HJRA Ampefiloha tamin’ny sabotsy teo. Tsy hitokona anefa izahay hoy izy fa hanao tatitra tamin’ny fihaonanay tamin’ny Ministra tompon’andraikitra mikasika ny fitakiana ny zonay. Diso mironabe loatra mankany amin’ny mpitandro ny filaminana ny Fitondram-panjakana ankehitriny hoy hatrany ity filohan’ny antena sendikaly ity fa tsy mahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fahasalamam-bahoaka. Betsaka hoy izy ireo paramed nalefa nisotro ronono nefa tsy nosoloina akory ny toerany. Ny valan’aretina Covid-19 anefa mbola manao ny hataony ihany hoy izy asa izay mbola miandry ireo paramed avokoa. Miankina amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha moa ny mety handraisan’izy ireo andraikitra na tsia manoloana ity requisition vaovao vao azony ity indray.

 Pati

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Mitana anjara toerana goavana amin'ny kalitao ny tolotra fanafody sy kojakojam-pahasalamana

Card image cap