airtel

Fahasalamana

10-juin-2021

Fahasalamana

Fihaonana anatina fety Efa miomana sahady ny Ministeran’ny Fahasalamana

Sample post image

Mbola tsy tena foana tanteraka ny valan’aretina Covid 19 eto amintsika.

10-juin-2021

 

 

 

Mbola misy hatrany ireo tranga vaovao ankoatra ireo olona mamoy ny ainy na dia efa nofoanana tanteraka aza ny fihibohana. Tokony hitandrina hatrany araka izany ny tsirairay raha araka ny fanazavan’ny dokotera Manitra Rakotoarivony, talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamana. Anisan’ireny hoy izy ny fanaovana aron-tava tsy tapaka rehefa mivoaka ny trano, ny fanasan-tanana amin’ny savony, ny fanajana ny elanelana 1 metatra….Ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka manokana dia efa miomana sahady ny amin’ny mety hisian’ny marary vokatry ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19 izy ireo aorian’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona. Tsy maintsy misy mantsy hoy izy ny fifampikasohana ka ireo tsy maintsy horaisina manokana no efa hiomanana mialoha mba tsy ho tonga any amin’ilay tranga misy fahasarotana. Na izany aza dia fantatra fa efa nihenabe ireo olona mararin’ny Covid 19 tonga manatona ireo tobim-pitsaboana miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana eto an-drenivohitra. Ivon-toerana roa sisa araka izany no mandray ireo marary voakasik’izany dia ny CTC eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka sy ny ISTS eny Mandrimena Andoharanofotsy.

Pati

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ankoatran’ny resaka fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday na serasera

Card image cap