airtel

Fahasalamana

14-févr-2022

Fahasalamana

Fikainkonan’ny nofo na « crampe » Vokatry ny tsy fahampian’ny kalsioma sy ny manezioma

Sample post image

Anisan’ny tranga iray mpahazo ny olona maro ny fikainkonan’ny nofo na ny crampe. Amin’ny fotoana tsy hampoizina mazana no tena hitrangan’izy io izay vokatry ny tsy fahampian’ny kalsiôma sy maneziôma ao anatin’ny vatana,

14-févr-2022

raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina. Raha sanatria ka any anaty rano no tratran’ny fikainkonan’ny nofo ny olona iray hoy hatrany ity dokotera ity dia tena sarotra ny zava-misy satria mety tsy ho afa-mihetsika ilay olona tranga izay mety hahavoa mafy mihitsy. Vahaolana aroson’ity mpitsabo iray ity araka izany ny tokony hamenoana hatrany ny sakafo hanina isan’andro mba ho tena ara-pahasalamana sy mifanaraka amin’ny filan’ny vatana hisorohana ny fikainkonan’ny nofo. Ho an’ny vehivavy bevohoka izay tratran’ity fikainkonan’ny nofo ity matetika moa dia fantatra fa vokatry ny tsy fahampian’ny kalsioma sy ny manezioma amin’ny vatany no mahatonga izany. Tsy maintsy mizara roa mntsy ireo hery fiarovana ao anatiny dia amin’ilay vehivavy sy ilay zaza ao am-bohoka ka tokony hofenoina hatrany amin’ny alalan’ny sakafo ara-pahasalamana.
Pati
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ankoatran’ny resaka fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday na serasera

Card image cap