airtel

Fahasalamana

28-avril-2021

Fahasalamana

Fikarakarana marary Ifandrombahana hatramin’ireo Paramedy miasa tena

Sample post image

Tanora Paramedy maromaro no nisafidy ny hiasa tena ary nanao tolotra ho fanomezan-tanana

28-avril-2021

 

 

 

 ireo fianakaviana manana marary tsaboina ao an-trano nefa tsy ampy na tsy misy mpikarakara na koa ireo tsy tafiditra eny amin’ny hopitaly, indrindra manoloana izao firongatry ny valanaretina coronavirus izao. Mivondrona anaty fikambanana “Soins Infirmiers à Domicile” izy ireo, misy roapolo mahery eo, fikambanana mijoro ara-panjakana nanomboka ny taona 2018 ahafahan’izy ireo miasa ara-dalàna. Anisany tolotra omen’ireto Paramedy mahaleotena ireto ny manindrona, mametaka seraoma, manao “pansement” sy izay fikarakarakana mahakasika ny marary any an-trano eny fa hatramin’ny “garde malade” sahanin’izy ireo avokoa. Ifandrombahana ary tototry ny asa ireto Paramedy mahaleotena ireto ankehitriny, tamin’ny tafa fohy nifanaovana tamin’izy ireo. Misy amin’izy ireo aza no voan’ny covid mihitsy vokatry ny fifampikasohana amin’ireo mararin’ity valaretina ity.

Jean D.

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ankoatran’ny resaka fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday na serasera

Card image cap
22-avril-2024

Ny 90%-n’ireo ankizy latsaky ny 6 taona eto amintsika no fantatra fa tratry ny aretin-nify.

Card image cap