airtel

Fahasalamana

23-févr-2022

Fahasalamana

Fikarohana ara-pitsaboana Nahitana fivoarana i Madagasikara

Sample post image

Ny 14-18 febroary lasa teo nanao fitsidihana teto Madagasikara ireo ekipan’ny Rafitra maneran-tany momba ny fahasalamana (OMS) nahitana ny Comité consultatif régional d’experts

23-févr-2022

sur la médecine traditionnelle pour la riposte à la Covid-19 (REACT), ny CDC Afrika,… nihaona sy nidinika tamin’ireo manam-pahefana ara-politika teto sy ara-pahasalamana, ara-tsiantifika momba ny fampivoarana ny “CVO Plus curatif” mba hitsaboana ny covid-19. Hatramin’ny nahitana ny covid-19 ny martsa 2020 ireo rafitra nasionaly ara-pikarohana momba ny fahasalamana no niketrika sy niasa momba ny fikarohana ara-pitsaboana. Nambara fa nisy ny fomba fitsaboana na « protocole » mifandraika ain’ny fikarohana ara-klinika napifanarahana tamin’ny « Protocole » lasitra novolavolain’ny OMS sy ny mpiara-miombon’antoka, ary nambara fa nankatoavin’ny REACT izay navadika ho asa mba hanombanana ny kalitao, ny voka-dratsy na « ennocuité » sy ny fahombiazana na « éfficacité » ho an’ny Covid-Organics, avy eo ny CVO Plus Curatif niainga tamin’ny zava-maniry sy fitsaboana nenti-paharazana. Isan’ny manana toerana lehibe amin’ny resaka fikarohana ara-klinika ny CNARP (Centre National d'Application de Recherches Pharmaceutiques), izay manana mpikaroka ampy traikefa sy fotodrafitrasa mifandraika amin’izany. Niarahaba ny fivoaran’i Madagasikara ezaka fanarahana ny fepetra ara-pikarohana sy ara-pitsaboana, miainga amin’ny zava-maniry, ny andrana « précliniques » sy « cliniques », ny famokarana,… ny Pr Motlalepula Gilbert Matsabisa, Filohan’ny REACT. Efa 76 ny fanafody niainga tamin’izany, nankatoavian’ny l’Agence du Médicament de Madagascar, ary ny 26 amin’ireo no voasoratra ao anatin’ny lisitra nasionalin’ireo fanafody manan-danja ho an’ny fitsaboana ireo karazan’aretina mpitranga matetika, toy ny tazomoka, diabeta, fiakaran’ny tosi-drà,... Momba ny covid-19, isan’ireo firenena 9 nampiasa ny fitsaboana nenti-paharazana. Nisy ny teboka miabo, fa misy fanatsarana takiana momba ny CVO+, ka anisany ny dingana ny « étude multicentrique », hoy ny OMS.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ankoatran’ny resaka fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday na serasera

Card image cap
22-avril-2024

Ny 90%-n’ireo ankizy latsaky ny 6 taona eto amintsika no fantatra fa tratry ny aretin-nify.

Card image cap