airtel

Fahasalamana

14-avril-2021

Fahasalamana

Filaharam-be eny amin’ny farmasia Be mpitady ny fanafody aty sy vavony

Sample post image

Saika ahitana filaharana avokoa ny toeram-pivarotam-panafody eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin’izao.

14-avril-2021

 

 Miisa 20 raha kely ny olona milahatra amina ivon-toerana iray ka ankoatra ny fanafody mampiakatra hery fiarovana dia anisan’ny tena be mpitady ihany koa amin’izao ny fanafody vavony sy aty raha araka ny resaka nifanaovana tamina farmasianina iray. Amin’ny ankapobeny mantsy dia saika ireo taova ao anatiny no tena henjehin’ilay viriosy mahery vaika miparitaka eto amintsika amin’izao ka saika samy miezaka miaro tena avokoa ny rehetra. Mba ho fitsinjovana ny mpanjifa anefa hoy hatrany ity farmasiana iray ity dia tsy maintsy ferana ihany ny fanafody azo omena azy ireny fa tsy izay tadiaviny akory. Betsaka ihany koa mantsy ny manararaotra manangona amin’izao. Ny tahirim-panafody anefa mihamanify. Manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana izy ireny araka izany ny mba hamatsiana fanafody eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fiaramanidina hisorohana ny mety hisian’ny fahatapahan’ny famatsiana tanteraka.

Pati

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ankoatran’ny resaka fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday na serasera

Card image cap