airtel

Fahasalamana

01-avril-2022

Fahasalamana

Fiovaovan’ny toetr’andro Mamely ny kohoka sy aretin-tratra

Sample post image

Tafiditra eo anelanelan’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra sy ny ririnina isika izao. Miovaova be ihany ny toetr’andro vokatr’izany ka mety mafanabe indraindray nefa mety mangatsiaka be tampoka ihany koa.

01-avril-2022

Vokatr’izay toetr’andro izay raha araka fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina dia manomboka mahazo vahana eto amintsika ny aretin’ny taovam-pisefoana. Anisan’ireny ny kohoka izay tena mamely ny ankizy tokoa arahin’ny sery sy ny gripa mahery. Misy sempotra mihitsy ny ankizy. Vahaolana aroson’ny dokotera Fidy araka izany ny tokony hampanaovana akanjo mafana hatrany ny ankizy hatao mifanaraka amin’ny toetr’andro. Ezahina ihany koa ny tsy hahatraran’ny orana ny ankizy mpianatra ho fiarovana ny toe-pahasalamany ka tokony hisy hatrany ny akanjo aro orana any anaty kitapony. Tokony ho tratran’ny andro sy ny rivotra ihany koa ao an-tokantrany hoy hatrany ity dokotera iray ity. Mety hampikohoka mantsy ny trano maimbo lao sy mihibokiboka hoy hatrany izy. Farany izay tsy kely akory dia nomarihiny manokana fa tokony omena sakafo ara-pahasalamana hatrany ny zaza arahin’ny fisotroana rano azo antoka betsaka isan’andro.
Pati
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Mitana anjara toerana goavana amin'ny kalitao ny tolotra fanafody sy kojakojam-pahasalamana

Card image cap
26-mars-2024

Betsaka ireo lehilahy manana olana ara-pananahana tonga manatona mpitsabo amin’izao.

Card image cap