airtel

Fahasalamana

16-mai-2025

Fipariahan’ny VIH

Sida

Sample post image

Mampaneno lakolosy amin’ny loza mitatao ho an’ny daholobe vokatry ny

16-mai-2025

tsy fisian’ny fitaovana sy fanafody enti-misoroka, mitsirika, ary mitsabo ny VIH/Sida ny firaisamonim-pirenena ao Toliara, araka ny fanambarany ny alarobia 14 mey teo. Nanao fanairana fototra 5 momba ny fahafahana misitraka tolotra ara-pahasalamana ho an’ireo mponina tena iharan’ny risika (PCPER) sy ireo olona miaina miaraka amin’ny VIH (PVVIH). Vokatry ny fanaraha-maso natao nandritra ny enim-bolana (Oktobra 2024 – Martsa 2025), ireto avy no zava-misy mampanahy: Voalohany, tsy ampy ny fitaovana sy fanafody entin’ireo PCPER misoroka ny VIH/SIDA. Tamin’ireo fitsidihana natao, 73,9% tamin’ny DIC (Drop In Center), 26,8% tamin’ny toeram-pifaneraserana (bar, hotely), ary 8,3% tamin’ny CSB no tsy nahitana fimailo. Mihoatra ny 60 andro no andrasana vao mahazo famatsiana vaovao. Ankoatra izany, nahitana famarotana an-tsokosoko ny fimailo natokana ho zaraina maimaimpoana amin’ny 12,2% amin’ireo bar sy 12,1% amin’ireo tsena madinika notsidihina. Tsy tafiditra ao anatin’ny tsingerin’ny famatsiana nasionaly ihany koa ny seringue, satria mbola tsy ekena ara-panjakana ho fitaovana fisorohana ny VIH, hoy izy izy ireo. Faharoa, tsy misitraka feno ny tolotra fitiliana ireo PCPER sy PVVIH. Tamin’ireo fitsidihana natao, 29,2% tamin’ny CSB, 8,7% tamin’ny DIC, ary 4,9% tamin’ny toeram-pifaneraserana no tsy nahitana test T1 (Determine). Etsy ankilany, be loatra ny tahiry manakaiky ny daty tsy azo ampiasàna intsony (Febroary 2025). Fahatelo, tsy ampy ny Antiretroviral (ARV) hitsaboana ho an’ny PVVIH na dia misy aza ny tahiry. Tamin’ireo PVVIH 30 nohadihadiana, 36,7% no nilaza fa nisy fahatapahana tsy naharitra ny fihinanan’izy ireo ARV tao anatin’ny enim-bolana farany. Tamin’ireo fitsidihana natao teny amin’ny DIC, 11 tamin’ny 23 no tsy nahitana ARV. Fahefatra, tsy ampy ny fahafahan’ny PVVIH misitraka ny fanisàna ny « charges virales ». Tamin’ireo PVVIH 30 nohadihadiana, 96,7% no tsy mbola nahazo ny valin’ny fanisàna natao. Maharitra 2 hatramin’ny 3 volana no andrasana vao mahazo ny valiny. Fahadimy, mbola misy ny fanavakavahana sy fanilikilihana ireo vondrona tena iharan’ny risika. Misy ny sazy hampiharina amin’ireo mpampiasa zava-mahadomelina amin’ny alalan’ny tsindrona. Tamin’ireo PCPER 118 nohadihadiana, 47,8% no mitaraina amin’ny fanilihana ataon’ny fiaraha-monina, ary 25% dia voahilika ao anatin’ny fianakaviana misy azy ireo. Nisy ny antso marolafy miantefa amin’ny manam-pahefana ka anisany ny fampiharina tanteraka ny Lalàna 2005-040 momba ny ady amin’ny VIH/SIDA sy ny fiarovana ny zon’ny olona miaina miaraka amin’ny VIH/SIDA, ka mandrara ireo endrika fanavakavahana sy fanilikilihana rehetra. Tanjona 3×95 napetraky ny ONUSIDA moa ny hirosoana amin’ny famongorana tanteraka ny SIDA amin’ny 2030, miaraka amin’ny hetsiky ny Tahirim-bola Eran-tany (Fonds Mondial).
Toky R
 

Dans la même rubrique