airtel

Fahasalamana

29-avril-2024

FIRAISANA ARA-NOFO

Antonony ny in-droa isan-kerinandro ho an’ny lehilahy

Sample post image

Antonony ny fanaovana firaisana ara-nofo in-droa isan-kerinandro ho an’ny lehilahy iray, raha ara-dalana ny toe-pahasalamany raha araka ny fanazavan’ny dokotera iray.

29-avril-2024

Mety hahafaty tampoka mantsy ny fanaovana firaisana miverimberina ao anatin’ny fotoana iray raha araka ny fanavazan’ity dokotera ity ihany indrindra raha misy tosi-dra ohatra ilay lehilahy ka mihinam-panafody.Alevina anio Alatsinainy 29 Aprily rehefa namoy ny ainy tamin’ny Sabotsy teo ilay lehilahy iray voalaza fa garde pénitentiaire naka vehivavy iray ary diso nanao firaisana be loatra niverimberina. Vokatry ny harerahana nateraky ny faharitan’ny tsiron’aina no nambaran’ny dokotera tany an-toerana fa antony nahafaty azy. Raha araka ny resaka nandeha dia avy namita iraka tany Andapa Ratompokolahy izay vao 43 taona ka mba nararaotra kely niaraka tamin’ny vehivavy sakaizany tao Ambinagny , distrikan’Antalaha. Tsy naharaka izany anefa ny ainy ka izao nihafara tamin’ny fandaozany ny tany izao. Mbola karohina hatramin’ny omaly fotoana nanoratany moa ilay vehivavy niaraka tamin-dRatompokolahy mba hoatao fanadihadiana.
Pati

Legende : Namoy ny ainy tahaka izao Ratompokolahy !

 

Dans la même rubrique