airtel

Fahasalamana

06-févr-2024

Fisorohana ny fidiran’ny Kôlera

Mifanaritaka indray ny Mpitondra, tandindonin-doza ny firenena

Sample post image

Mifanaritaka sahady indray ny mpitondra mikasika ny fisorohana ny fidiran’ny valanaretina choléra eto

06-févr-2024

Madagasikara. Nisy ny didy noraisin’ny governoran’ny Faritra Boeny Mokhtar Salim Andriantomanga, fa miato vonjimaika manomboka ny 3 febroary 2024 ny fidiran'ny sambo mpitatitra olona avy atsy Kaomoro mankao amin'ny faritra Boeny. Mahazo mandeha kosa ny sambo mpitatitra entana saingy manaja ny fihibohana mandritra ny 15 andro mandra-pahandraisan'ny mpitsabo fepetra. Miato vonjimaika ihany koa ny sidina rehetra avy atsy Mayotte, izay misy fifampitakosenana amin’i Kaomoro rahateo. Anton’io ny fisorohana ny mety hahatafidiran’ny «choléra » eto Choléra eto satria ny Nosy Kaomoro izay manana fifandraisana akaiky amin’i Mahajanga sy misy fifamezivezena, dia efa misy tranga maro, ary efa olona 2 no namoy ny ainy raha kely indrindra. Ho fisorohana ny mety ho fahatafidiran’io valanaretina io izay tena mandripaka any Afrika anefa no antony satria raha mamerina antontan’isa kely isika dia nahatratra 609 ny maty tany RD Congo ny volana janoary teo, 1 771 ny maty tany Malawi, 189 tatsy Mozambika, 46 tany Afrika Atsimo,… ary mety efa nihoatra an’izay aza satria antontan’isa ny 01 febroary ireo. Tsara ny manamarika fa tamin’ny alalan’ny fidirana avy any Tanzanie no nidiran’ny Choléra ao Kaomoro. Nosintonina tao amin'ny pejin-tseraseran’ny Faritra Boeny anefa izany fanambarana izany satria nahazo fanamarihana avy amin'ny Fanjakana foibe ny Faritra Boeny, fa tsy anjara andraikiny ny manakatona sisin-tany fa anjaran'ny Governemanta, koa dia niverina amin'ny laoniny ny fivezivezena Madagasikara Comores sy Mayotte. Mitohy ny fidiran'ny sambo sy sidina avy atsy Comores sy Mayotte mankao Mahajanga. Tsy manan-kery araka izany ny fepetra fanakatonana sisin-tanin'ny Faritra Boeny noraisin’ny Governoran'i Boeny manoloana ny tranga valan'aretina ao amin’ny nosy Comores. Tsy fahefan'ny Governora izany hoy ny loharanom-baovao. Na izany aza dia manentana ny mponina ao Mahajanga ny Kaominina Mahajanga mba samy hitandro ny fahasalamana, ny fahadiovana. Hanasa tanana matetika, indrindra ny fitandrovana amin'ny fihinana ireo sakafo tsy ara-pahasalamana. Mifanome tanana amin'ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ihany koa ny BMH "Bureau Municipal d'hygiène" ao amin'ny Kaominina Mahajanga amin'ny "opération de désinfection", izay natomboka teny amin'ny seranampiaramanidina Amborovy, araka ny vaovao avy any an-toerana.
MILALAO AIM-BAHOAKA ?
Manana ny mety heveriny fa fahamarinana ho azy ny Fanjakana foibe satria tokony ho adidin’ny governemanta tokoa ny mandray fanapahan-kevitra mikasika fanakatonana sisin-tany izany. Azo sokajiana ho hamehana sy loza mitatao ho an’ilay faritra sy ny firenena manontolo ihany koa anefa io ka iny aloha izany no hitan’ny governora fa fepetra mety mba ho fisorohana ny loza mandindona araka ny fahitany azy amin’ny maha tompon’andraikitra mahalala ny faritra iadidiany. Mety nanana ny fahadisoany ilay governora fa aim-bahoaka no resaka, kanefa mahagaga ihany raha ao anatina hamehana tahaka izao no toa misy fifangariana ny fanapahan-kevitry ny manam-pahefana ary toa misy endrika fisavoritahana eo amin’ny samy mpitondra. Andaniny mantsy dia misy mpanao politika avy aty amin’ny fanoherana dia Atoa Roland Ratsiraka manao filaza somary miendrika fanontaniana fa efa tonga ao Mahajanga ny Choléra ka aoka ny Fanjakana hilaza ny marina? Sanatrian’ny vava ve hiverina indray ny sary tamin’ny covid-19 hoe : tokony hidiana aloha ny sisin-tany saingy ny valiny dia hoe : izahay aloha izao no mitondra dia ireny no nitranga?
Toky R
 

Dans la même rubrique