airtel

Fahasalamana

03-juin-2026

Fitantanana ny

angon-kevitra ara-pahasalamana

Sample post image

Manamafy ny fanohanany an’i Madagasikara ny Amerikanina

03-juin-2026

Nifarana omaly 02 jona 2026 ny asa fankatoavana ny paikady vaovao momba ny fitantanana ny angon-kevitra ara-pahasalamana eto Madagasikara, niarahan’ny Masoivoho Amerikana sy ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Dingana lehibe ho an’ny firenena ity satria manamafy ny fahafahan’i Madagasikara mitantana antontan-kevitra sy mamaly haingana ireo ambana ara-pahasalamana. « Ny fitantanana tsara ny angon-kevitra dia mahatonga an’i Madagasikara ho azo antoka kokoa sy salama kokoa ary afaka hitantana amin’ny fomba mahomby kokoa ireo fanamby ara-pahasalamana eto an-toerana », hoy ny Lefitry ny Masoivoho Amerikana mpisolo toerana Richard Hays. Novolavolain’ny ministera tamin’ny alalan’ny fanohanana ara-bola avy amin’ny governemanta amerikana ity paikady ity, ary mametraka fitsipika mazava momba ny fanangonana sy fizarana ary fiarovana ny angon-kevitra ara-pahasalamana. Amin’izao fotoana izao dia miparitaka ny rafitra ka manasarotra ny fanaraha-maso ny aretina sy ny fitantanana fitaovam-pitsaboana. Ny politika vaovao dia mamaly izany amin’ny fametrahana fomba fiasa iombonana sy fiarovana ny tsiambaratelon’ny marary, raha ny fanazavana. Ho mora kokoa amin’ny mpiasan’ny fahasalamana ny mizara antontan-kevitra, ary ny tompon’andraikitra dia hahazo angon-kevitra azo antoka hanampy amin’ny fanapahan-kevitra haingana sy mahomby. Mandrakotra sehatra maro ny rafitra, toy ny antontan-taratasin’ny marary, ny fanaraha-maso ny aretina ary ny fitantanana ny rojom-pamatsiana fitaovam-pitsaboana sy fanafody. Mifanaraka amin’ny paikady vaovaon’i Etazonia momba ny fanampiana ihany koa ity hetsika ity, ka mitondra tombontsoa ho an’ny firenena roa tonta. Manampy amin’ny fiarovana ny faritra sy ny fametrahana rafitra fanairana mialoha ho an’ny fiarovana maneran-tany ny fanampiana an’i Madagasikara hifehy haingana ireo ambana ara-pahasalamana. « Mitondra fanampiana ho an’i Madagasikara izahay androany mba ahatonga azy hahavita tena rahampitso » hoy i hatrany i Richard Hays, nanamafy fa mitaky fandraisana andraikitra mitohy avy amin’ny ministera sy ny mpiara-miombon’antoka ny fahombiazan’ny paikady.
Toky R


 

Dans la même rubrique