airtel

Fahasalamana

12-juil-2021

Fahasalamana

FITRAMA-HAFARI Hanampy ireo mpatory an-dalana vonon-kiarina

Sample post image

Ankoatra ny asa fitsaboana ny mpiray tanindrazana manoloana ireo karazan’aretina maro samihafa toy ny Variant Delta, ny Covid 19 dia fantatra fa hijery akaiky ireo mpatory an-dalana ihany ny orinasa mpitsabo Malagasy

12-juil-2021

 FITRAMA sy ny fikambanana Hafari Malagasy, tarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina.
TSY TOKONY HANAOVANA BIZINA
Namerina Rafanomezantsoa Jean Nirina fa tsy tokony ho lasa bizina fanafody na hanimbana ny saim-bahoaka ny fahatongavan’ilay valan’aretina Variant Delta eto amintsika. Tsy natao hampatahotra tsy hiatrehana ny fiainana izany hoy izy fa tany niangaran-janahary Madagasikara. Hananantsika avokoa hoy hatrany izy ireo karazan-javamaniry maro samihafa ho enti-miatrika izany noho izany mila mitandrina sy miaro tena ny tsirairay. Tafiditra ao anatin’izany ny fanajana ireo karazana fepetra ara-pahasalamana maro samihafa toy ny fanaovana aron-tava, ny fanasan-tanana amin’ny savony ary ny fanajana ilay elanelana 1 metatra. Hanampy ireo olona tena sahirana mpiray tanindrazana ihany koa ny FITRAMA sy ny HAFARI, fomba fiasa efa nahafantarana an-dRafanomezantsoa Jean Nirina hatramin’izay. Alefan’izy ireo any Soaniedanana PK67, lalam-pirenena fahaefatra ireo vonon-kiarina amin’ny fiainana ka manam-piniavana ny hivoatra amin’ny fiainana. Ny fikambanana avokoa no hiantoka ny lany amin’izany raha omena masomboly kosa izy ireo hovoleny. Hiompy ihany koa izy ireny no sady hikarakara ireo zavamaniry haodina hanjary ho fanafody.
HANAO FANDAHARANA MANOKANA
Hanao ezaka goavana ihany koa ny FITRAMA sy ny HAFARI manomboka izao hampahafantatra ny fiaraha-monina ny tena zava-misy marina. Nosafidiany manokana ny Soa Radio isan’andro amin’ny 07 ora sy sasany hariva. Toraka izany koa ny fahitalavitra MaTV isaky ny alarobia amin’ny 06 ora sy sasany hariva, ny zoma amin’ny 08 ora sy sasany alina, ny alahady hariva ….Olona mpomba ny fitondrana sy ny mpanohitra no hampihaonina mandritra izany ka ho an’ny omaly alahady ohatra dia Atoa Paolo Raholinarivo sy Rakotoarisoa Baba na Gangstabab no nihaona tao anatin’ny fandaharana, nentanin’ny mpanao gazety Herilala Andrianaivo sy Naina Rakoto ary ny Caporal Bob. Tsy hijanona amin’ireo farany ihany anefa ny fahafahana mametraka fanontaniana sy manao fanentanana fa hanasan’ny HAFARI Malagasy ny mpanao gazety tsy an-kanavaka mihitsy ka vonon-kiara-hiasa aminy. Ny mba hahafahan’ny tsirairay mivelatra sy hamerenana ny hasin’ny fanaovan-gazety tanjona ao anatin’izany no sady hanampiana ny mpiara-belona hahalala ny tena zava-misy marina ihany koa.
TOKONY HANDROSO
Firenena tokony handroso i Madagasikara ho an-dRafanomezantsoa Jean Nirina. Maika ny famerenana ny rafitra fokonolona sy ny fihavanana Malagasy araka izany hoy izy, paikady sy soa toavina izay tsy hananan’ireo firenen-kafa. Anisan’ny efa niady an’izany hoy izy Itompokovavy Nadine Ramaroson sy ny Itompokolahy Richard Ratsimandrava saingy tokony ezahina hotohizana hatrany ny ezaka efa natombony.
IRETO TOERANA MISY NY FITRAMA
Ireto avy ny toerana ahitana ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA manerana ny Nosy Alakamisy Fenoarivo eo amin’ny tsena ampitan’ny Cecam : 034 82 780 44 Ivato : 034 82 780 44- Diego, eo amin’ny le Scama akaikin’ny MAXIME : 0341661089 Fenoarivobe : 034 68 792 92 -Ambohimanarina, eo anelanelan’ny fiangonana FJKM Ambohimanandray sy ny tobim-piantsonan’ny taxibe : 0347044308- FITRAMA Itaosy : 0342680250. F ITRAMA : 034 79 76721. FITRAMA Toamasina :0346440964. FITRAMA Toamasina Tanamakoa eo amin’ny barazy alohan’ny OTIV : 0346440964. FITRAMA Fianarantsoa II: 0347222869. FITRAMA Fianarantsoa II Antanandolo : 0347222969. FITRAMA Ambohimahasoa : 0343998040. FITRAMA Ambositra amoron’ny RN47, : 03420788 87. FITRAMA Ambatofinandrahana : 0342078887. FITRAMA Mananjary : 0345958130 no hahazoana azy ireo. FITRAMA Antsohihy : 0340777975 . FITRAMA Toliara : 03431357 10. FITRAMA Toliara ihany saingy ao Andaboly : 0343135710. FITRAMA Ampanihy : 034313570. FITRAMA Morombe :0343135710. FITRAMA Marovoay: 0346093854. FITRAMA Alatsinainy Bakaro : 0349064272. FITRAMA Manjakandriana : 0341420471. FITRAMA Moramanga: 0349047201. FITRAMA Ambatolampy : 0345604753. FITRAMA Antsirabe : 0348644008. FITRAMA Mahitsy : 0341337538. FITRAMA Ankazobe : 0347454164. FITRAMA Imerintsiatosika : 0342985042. FITRAMA Arivonimamo : 0343162120. FITRAMA Miarinarivo : 0340831838. FITRAMA Tsiroanomandidy : 0341257000. FITRAMA Morondava : 0347079995. FITRAMA Andramasina : 0345376962 . FITRAMA Anosizato Atsinanana : 0348278044. FITRAMA : 0346879292. FITRAMA Ankadindratombo : 03483297 51. FITRAMA Ambohimangakely : 0344681889. FITRAMA Ambohitrimanjaka : 0341789345. FITRAMA Imerimafovoany : 0342610515. FITRAMA Ankadikely Ilafy : 0340935341. FITRAMA Sabotsy Namehana : 0340935341 no hahazoana azy ireo. FITRAMA Mahajanga : 0347670705. FITRAMA Ifanadiana Centre :0344005162. FITRAMA Fenerive Est : 0345615534. FITRAMA Brickaville : 0346396502. FITRAMA Ambatondrazaka : 0343046767 .
Pati
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Mitana anjara toerana goavana amin'ny kalitao ny tolotra fanafody sy kojakojam-pahasalamana

Card image cap
26-mars-2024

Betsaka ireo lehilahy manana olana ara-pananahana tonga manatona mpitsabo amin’izao.

Card image cap