airtel

Fahasalamana

29-avril-2022

Fahasalamana

Fitsaboan-tena any ambanivohitra Dia an-tongotra hatrany amin’ny 35 km vao mahita hopitaly

Sample post image

Tena mijaly amin’ny fitadiavana tobim-pitsaboana ny olona any ambanivohitra. Raha araka ny fantatra mantsy dia mandeha dia an-tongotra hatrany amin’ny 35 km

29-avril-2022

izy ireny vao mahita tobim-pitsaboana iray raha 5 km eo ho eo kosa ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Maro amin’izy ireny anefa no zokiolona marary mafy sy Renim-pianakaviana handeha hiteraka antony mampitombo isa ireo maty eny an-dalana…Ankoatra izay dia mbola olana ihany koa ny tsy fahampian’ny mpitsabo. Isika eto Madagasikara no vitsy dokotera indrindra aty Afrika raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina. Dokotera 0,5 mantsy no miandraikitra olona manodidina ny 10.000 isa. Dokotera miisa 45 kosa no misahana olona 10.000 isa any Eoropa any. Mety ekena ary tohanana mafy araka izany hoy dokotera Fidy ilay fikasan’ny fanjakana hanangana CSB II miisa 69 amin’ity taona ity miampy hopitaly manara-penitra 15. Arahin’ny fandraisana mpiasan’ny fahasalamana 1600 isa eo ho eo izany ka anisan’ireny ny mpitsabo mpanampy, ny mpampivelona….Nomarihin’ny dokotera Fidy Bariniaina moa fa rehefa salama ny vahoaka dia afaka mamokatra ary handroso ho azy ny firenena misy azy.
Pati
 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ankoatran’ny resaka fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday na serasera

Card image cap
22-avril-2024

Ny 90%-n’ireo ankizy latsaky ny 6 taona eto amintsika no fantatra fa tratry ny aretin-nify.

Card image cap