Infirmiera na mpitsabo mpanampy iray no misahana voafonja miisa 500, araka ny fanadihadiana nataon’ny « Humanité et Inclusion ». Ny tena mampalahelo anefa araka ity fanadihadiana nataon’ity « Humanité Inclusion » ity hatrany dia tahan’ny tsy fahasalaman’ny saina no tena ambony be eny anivon’ny fonja. Ny 98% n’ireo voafonja nanaovan’izy ireo fanadihadiana mantsy no fantatra fa manana fahaketrahana ara-tsaina sy fihetsem-po mihiba vokatry ny vesatry ny olana nolalovany. Misy amin’izy ireny mantsy no voaendrikendrika. Misy koa ireo tena nanao nefa manana adidy mavesatra miandry azy izay tsy maintsy nilaozany…Betsaka ny olana sedrain’izy ireny vokatr’izany. Ankoatra ny resaka fahasalamana dia ny 64%n’ireo voafonja ihany koa no mahita fa tsizarizary ny toeram-ponenana eny anivon’ny fonja. Fandriana iray zarain’olona efa ho 6 raha kely….Nandritra ilay hetsika rendez-vous du REMAPSEN notanterahin’ny fikambanana tsy miankina Humanite et inclusion moa no nahafantarana ireo rehetra ireo. Ny REMAPSEN moa dia fikambanana mpanao gazety misahana ny fampiroboroboana ny fahasalamana sy ny tontolo iainana raha tsiahivina. Any Côte d’Ivoire no misy ny foibeny ary manana solontena amin’izany ny eto Madagasikara.
Nangonin’i Pati
Ny Fahapozinana ara-tsakafo dia iray ao anatin’ny Fahapozinana na ilay
Tena tsy manana fahafahana ny hitsabo tena intsony ny 70%-n’ny Malagasy amin’izao.