airtel

Fahasalamana

27-févr-2024

Fitsaboana eny amin'ny CSB II

Tsy maimaimpoana fa misy sarany 8000 ka hatramin'ny 12 000 ariary

Sample post image

FITSABOANA OLONA ENY AMIN’NY CSB II Handoavam-bola 8.000 ka hatramin’ny 15.000 Ar

27-févr-2024

Handoavam-bola ny mitsabo tena eny anivon’ny CSB II fa tsy maimaim-poana izany na dia hopitalim-panjakana aza izy ireny. Manomboka amin’ny 8.000 Ar ka hatramin’ny 15.000 Ar ny vola alohan’ny marary iray amin’izany izay marihina fa vidim-panafody. Eo amin’ny dokotera izay mandray ilay marary no aloha io vola io raha araka ny fanadihadiana natao. Raha sanatria ka tsy ampy kosa ny fanafody ao amin’ilay dokotera dia mbola manoratra taratasy hafa izy na ordonnance hahafahan’ny marary mividy izany any ivelany. Raha araka ny fanadihadiana natao hatrany dia ahitana tolotra maro eny anivon’ireny hopitalim-panjakana CSB II ireny. Lohalaharana amin’izany ny fitsaboana ny aretina amin’ny ankapobeny. Manala nify ihany koa ny eny anivon’ny CSB II ho an’izay manana fitaovana, mampiteraka, manao fanabezana aizana ary mampisafo. Ho an’ny CSB II eny Fenoarivo Atsimondrano eny ohatra dia feno ny tolotra omen’izy ireo izay mandray marary manodidina ny 15 eo ho eo isan’andro. Raha ao amin’izy ireo mantsy no misafo ny vehivavy bevohoka iray dia avy hatrany dia miampita ao amin’ny Maternite rehefa hiteraka. Ampy tsara ny mpitsabo ho azy ireo. Ampy ihany koa ny fitaovana amin’ny ankapobeny raha toraka izay koa ny fanafody. Tamin’ny fotoana nampahazo vahana ny tazo mahery teo aloha moa no fantatra fa nahatratra 50 teo ho eo isan’andro ireo marary manatona ireny CSB II ireny.
Pati
Legende : Handoavam-bola ny mitsabo tena ety amin’itony hopitalim-panjakana itony !
 

Dans la même rubrique