airtel

Fahasalamana

09-juin-2021

Fahasalamana

Fitsaboana nentim-paharazana Tsy re feo intsony ilay fampanaraham-penitra ny Ed1

Sample post image

Ny 19 aprily teo no nampahafantarin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, fa hatao ny dingana rehetra ho fampanaraham-penitra

09-juin-2021

 

 

 

 ny vokatra Malagasy fitsaboana nentim-paharazana Ed, fantatry ny maro amin’ny hoe Ed1, novokarin’ilay mpitsabo nentim-paharazana, Edmond Rakotomalala. Efa misy karazany hatrany amin’ny 6 moa ny Ed, izany hoe hatramin’ny ED6 tamin’izany. Maro ireo efa mivarotra sy manjifa ny vokatra hatramin’izao eny rehetra eny ary malaza koa anefa ny mety ho fisian’ny hosoka ao anatin’izany. Ny heno farany mikasika ilay hoe fanandramana klinika kosa dia hoe efa vita ny dingana voalohany, raha ny nambaran’ny fikambanamben’ny mpitsabo nentim-paharazana Malagasy na ANTM, tapa-bolana taorian’io 19 aprily io. Taorian’izay dia tsy heno intsony ny mikasika izay fanandramana klinika izay.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique