airtel

Fahasalamana

02-mai-2025

Fizaham-pahasalamana ho an’ireo ho any ivelany

Mijoro ao Alasora ny “Cabinet médical Manohisoa”

Sample post image

Notokanana omaly Alakamisy 01 May tao amin'ny Fokontany Alasora, kaominina Alasora,

02-mai-2025

distrikan’Avaradrano ny "Cabinet médical Manohisoa", ivon-toerana fizaham-pahasalamana natokana ho an'ireo olona handeha hianatra, na hifindra monina any Canada, Australie, Royaume-Uni, sy Nouvelle Zélande. Ny cabinet médical Manohisoa irery ihany raha araka ny fantatra no hany nahazo fahazoan-dalana eto Madagasikara hanatanteraka izany fizaham-pahasalamana izany ho an'ireo olona handeha hifindra monina na koa hianatra any amin'ireo firenena ireo. Nanatrika ny lanonana ity ny Ben'ny tanana Randriantsoa Jimmy sy ny solotenan'ny OIM na ny "Organisation Internationale pour les migrations" izay samy nanamafy fa tena zava-dehibe loatra ny fisian’ny foto-drafitrasa tahaka izao eto amintsika. Manampy betsaka ny tanora Malagasy amin’ny faniriany mantsy izy ireny indrindra fa ho an’ireo maniry ny hiasa sy hanohy fianarana any ivelany
Pati
Legende : Nandritra ny lanonam-pitokanana notontosaina omaly !

 

Dans la même rubrique